Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

« Life and Limb » : Mpiasan'ny ala lohalaharana amin'ny ady amin'ny fikorontanan'ny toetrandro ao Vanuatu

Une équipe de forestiers au Vanuatu, assemblée autour d'un arbre, lève les bras au ciel en signe de joie. Ils portent des chemises réfléchissantes et des casques jaunes.

Mpiasan'ny ala ao Vanuatu. Loharano: pejy Facebook an'ny ministeran'ny ala ao Vanuatu.

Ny lahatsoratra niaviny tamin'ny teny anglisy dia nivoaka tamin'ny 8 oktobra 2020.

Iray amin'ny filma nalefa nandritra ny Fetiben'ny sinema Eugene taona 2020 miresaka tontolo iainana ny Life and Limb, izay miompana momba ireo mpiasan'ny ala ao Vanuatu.

Ahariharin'ny fetibe Eugene ireo ireo fandraisana an-tanana manerana izao tontolo izao izay iraisan'ireo ny « fifandraisana lalina sy ny andraikitra hiaro ny tontolo iainana sy ny miasa ho firaisankina amin'ny hafa ho amin'ny tolona hisian'ny rariny ara-tontolo iainana ». Tamin'ity taona ity, maimaimpoana ny fetibe ary nalefa anjotra avokoa ny filma.

Firenena ahitana nosy miisa 80 ao Pasifika atsimo i Vanuatu, izay marefo tanteraka manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro, indrindra amin'ny fanahiana mety hiakaran'ny haavon'ny masoandro ho an'ny vondrom-piarahamonina tantsiraka.

Iray amin'ny fandraisana an-tanana iarovana ny tontolo iainana vao natomboky ny governemantan'i Vanuatu ny hanangana tetikisan'ireo faritra ala amin'ireo nosy lehibe 12. Efa 30 taona lasa izay no nanaovana tetikisa farany toy izany.

Nandrakitra izany asa izany i Ginny Stein, mpanoratra an-gazety sady mpanatontosa sarimihetsika nanampy an-tsitrapo sy nanolo-tsaina ny Ministeran'ny ala ao Vanuatu.

Global Voices, nanontany izay nahatonga azy handrakitra ny asan'ny mpiasan'ny ala izany :

After a long career as a foreign correspondent and film maker, I moved to Vanuatu to work as a volunteer in communications at the Department of Forestry.

The National Forest Inventory kicked off while I was there. I thought it was a great chance to teach foresters about the power of media in raising public awareness about what they do. I was fortunate to get a chance to work with them, to talk about filming using phones and tablets, before they departed for the field.

Rehefa ela niasana amin'ny maha-mpanatontosa filma sy masoivohom-baovao vahiny aho dia nifindra nankao Vanuatu ho volantera eo amin'ny sehatry ny serasera ao amin'ny Ministeran'ny ala.

Efa nanomboka ny tetikisan'ny ala rehefa tao aho. Nihevitra aho fa izay no fotoana tsara indrindra hampianarana ny mpiasan'ny ala ny tanjaky ny fampitam-baovao sy hanentanana ny olona amin'izay ataon-dry zareo. Nanambintana aho niasa niaraka tamin-dry zareo, niresaka fandraketan-tsary amin'ny fampiasana finday sy tablety, nialoha ny nirotsahana teny an-kianja.

Nohazavainy avy eo ny nahatoga ny ekipany hanatontosa lahatsarim-panadihadiana :

They started sending me short video clips which I would turn into social media videos and post on the forestry Facebook page. At the same time, I had the chance to meet up with them in the field, on a number of islands where I would film with them. Over the course of six months, I realised we had enough material to make a documentary, which is how ‘Life and Limb’ came together.

Nanomboka tamin'ny fandefasana horonantsary fohy ry zareo izay novaiko ho horonantsarin'ny media sosialy ary namoaka azy tao amin'ny pejy Facebook ny ministeran'ny ala. Mandritra izany fotoana izany, nanam-bintana aho nihaona tamin-dry zareo teny an-kianja, tany amin'ireo nosy maro izay nakako horonantsary niaraka tamin-dry zareo. Tao anatin'ny enimbolana, hitako fa ampy ny fitaovana hanaovana azy ho lahatsarim-panadihadiana, tahaka izay no namolavolana ny Life and Limb.

Nanaraka ireo mpiasan'ny ala ao anatin'ny tetikasan'ny governemanta eo am-panaovana tetikisa ireo faritra ala ny lahatsarim-panadihadiana, ary manome tsipalotra ny ady ataon-dry zareo manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro. Asehon-dry zareo ihany koa ny mahazavadehibe ny ala eo amin'ny fambolena ao Vanuatu sy ny halehiben'ny fiantraikan'ny fitrandrahana ala eo amin'ny firindran'ny tontolo voary eo amin'ireo nosy kely.

Life and Limb ihany koa ny fiantraikan'ny fiakaran'ny tinadin'ny fambolena ara-barotra eo amin'ireo tany fambolena sy alan'i Vanuatu.

Nohazavain'i Ginny Stein ireo fanamby natrehin'ny mpiasan'ny ala :

For the teams, the biggest challenge was getting to where they had to go, by boat, truck, or foot. And the weather. They were reliant on the support of communities. For me, connecting with them was the greatest challenge. And data is really expensive in Vanuatu.

Ho an'ny ekipa, ny fanamby lehibe indrindra dia ny hahatongavana eo amin'izay toerana tsy maintsy aleha, amin'ny alalan'ny sambo na kamiao na nandeha an-tongotra. Sy ny toetrandro. Niankina tamin'ny fanohanan'ny vondrom-piarahamonina ry zareo. Ho ahy indray, ny mifandray amin-dry zareo no fanamby lehibe indrindra. Ary lafo dia lafo tokoa ny lahatahiry ao Vanuatu.

Nalefa tao Vanuatu ny filma tamin'ny janoary 2020. Nozarain'i Mme Stein ny fanehoankevitry ny olona :

Showing the film the first time and watching the reaction of foresters was priceless. There was lots of joy and pride in what they had done. And a thrill of seeing themselves on the big screen. Taking it into communities was very rewarding. At Hog Harbour in Santo, people watched it at an outdoor screening. There was laughter and joy at seeing ni-Vanuatu working for their country. People really loved the music as well. I was lucky that Vanuatu's Cultural Centre gave me access to some of their archived music and that the Soul Harvest Choir also allowed me to use some music I recorded with them.

Tsy hita pesipesenina ny nampiseho ny filma voalohany indrindra sy mijery ny fihetsiky ny mpiasan'ny ala. Nisy hafaliana sy hambo noho ny asa vita. Sy ny fihetseham-po rehefa nahita ny tena eo amin'ny efijery lehibe. Mampisy tombony lehibe ny nitondrana azy teo amin'ny vondrom-piarahamonina. Teny ankalamanjana no nijeren'ny olona azy tao Hog Harbour ao Santo. Nisy hehy sy hafaliana ny mahita ni-Vanuatu miasa ho an'ny tanindrazany. Tia ny hira ihany koa ny olona. Nanambintana aho navelan'ny Foiben-Kolontsain'i Vanuatu hikaroka hira tao amin'ny arsivany sy ny namelan'ny Soul Harvest Choir hampiasa ny hira noraketiko niaraka tamin-dry zareo.

Ho famehezana, ny hafatr'i Rtoa Stein amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena :

My message is please watch “Life and Limb”, and please support those on the frontlines of climate change who are working hard knowing there are great challenges coming their way. You can do that by taking action yourself, wherever you are. By learning more about climate change, and calling on your representatives to start taking action now.

Ny hafatro dia hoe mba jereo azafady ny Life and Limb, ary miangavy tohano ireo eny amin'ny lohalaharana sady miasa mafy iadiana amin'ny fikorontanan'ny toetrandro manoloana ny fanamby goavana atrehan-dry zareo. Azonareo atao koa ny mandray an-tanana ny zavatra toy izany, na aiza na aiza misy anareo. Amin'ny fianarana bebe kokoa momba ny fiovaovan'ny toetrandro sy amin'ny fanasana ny olomboafidinareo hanomboka ny hetsika dieny izao.

Azo jerena manontolo ao amin'ny tranonkalan'ny Fetiben'ny sineman'ny tontolo iainana Eugene ity filma ity. Indro ny tsipalotra amin'ilay filma :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.