Naomy · Jona, 2018

Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Jona, 2018

MENA: Mitondra fifaliana ve ny orana sa fahoriana e?

Maro tamin'ireo bilaogera sy mpisera Twitter avy ao Ejipta sy ny faritra maro ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra no nitatitra ny fisian'ny orana sy tadiom-bovoka androany [18 janoary 2010]. Arakaraka ny toe-draharaha, ny sasany tsara fandray ny pitik'orana amin-kafaliana raha misedra tadio, tondra-drano ary fahavakisam-po kosa ny hafa.

Fisamboran'i Vietnam mpisolovava sady mpanoratra malaza iray

  21 Jona 2018

Nosamborin'ny polisin'ny minisiteran'ny filaminam-pirenena ao Vietnam noho ny fandraisany anjara tamin'ny asa fanakorontanana i Le Cong Dinh. Io Dinh io dia mpisolovava iray malaza amin'ny fanohanana ny demaokrasia, fiarovana ny zon'olombelona ary amin'ny asa soratra. Vondrona famoaham-baovao sy mpampianatra ambony ao an-toerana maro no nanameloka ny fisamborana an'i Dinh.