
Sarintanin'ny fiampitana sisintany any Belarus. Pikantsary nalaina avy amin'ny Google Maps, azon'ny rehetra ho an'ny daholobe.
Nametraka fameperana vonjimaika hanakanana ny ankamaroan'ny olom-pirenena tsy handeha any ivelany ny governemanta Belarosiana Aliaksandr Lukashenka. Nilatsaka tao anatin'ny famoretana faobe tao amin'ny firenena izany fandraràna tsy hivoaka any ivelany izany taorian'ny hetsi-panoherana ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny Aogositra 2020.
Araka ny lalàna vaovao navoaka tamin'ny faran'ny volana Mey 2021, izay araka ny filazan'ny sampam-piarovana ny sisintanim-panjakana, dia natao mba hampitsaharana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus, dia nosakanana avokoa ireo fiampitàna sisintany an-tanety rehetra.
Nitaraina noho ny fitomboan'ny famoretana ny fahalalahana sivika ao amin'ny firenena niaviany ilay poeta Belarosiana Valzhyna Mort.
I signed up to Twitter to share poetry. Since then, my country's been taken hostage. Out now: Belarus bans citizens (whoever is not a state official) from leaving the country. In the air, in the streets, in homes, in jails, Belarus is being held hostage.https://t.co/RUjjfqiZys
— Valzhyna Mort (@ValzhynaMort) June 1, 2021
Nisoratra anarana tao amin'ny Twitter aho mba hizara tononkalo. Nanomboka teo, dia natao takalon'aina ny fireneko. Mivoaka izao: mandràra ny olom-pirenena (izay tsy tompon'andraiki-panjakana) tsy handao ny firenena i Belarus. Eny amin'ny habakabaka, eny an-dalambe, any an-trano, any an-tranomaizina, atao takalon'aina i Belarus.
Nanakiana ihany koa ny fandrarana ny fivezivezena ilay mpikaroka Belarosiana, Maryia Rohava .
Now only permanent residency in another state will allow #Belarus|an citizens to leave the country using the land border. This authoritarian government feels very comfortable making Belarusian citizens its hostages and cutting transnational links with the Belarusian diaspora https://t.co/9imp6mpcdO
— Maryia Rohava (@MRohava) May 31, 2021
Ankehitriny dia ny fananana fonenana maharitra any amin'ny fanjakana hafa ihany no hamela ny olompirenena #Belarus | ana handao ny firenena amin'ny fampiasàna sisintany an-tanety. Mahatsiaro mahazo aina ity governemanta mpanao jadona ity amin'ny fanaovana ny olom-pirenena Belarosiana ho takalon'aina ary manapaka ny fifandraisan'ny firenena amin'ny Belarosiana am-pielezana
Nilaza ny Komitin'ny Sisintanim-panjakana fa misy ny fiavahana amin'ny fandraràna ny fivezivezena, anisan'izany ny mpiasam-panjakana Belarosiana amin'ny dia ofisialy sy ny mpiasan'ny fitateram-panjakana. Na izany aza, ny olom-pirenena Belarosiana manana fahazoan-dàlana hipetraka any ivelany ihany no avela hiala ny firenena raha manana trano maharitra any amin'ny fanjakana hafa izy ireo. Tsy mahazo miala ao Belarosy amin'ny alàlan'ny dia an-tanety ireo manana fahazoan-dàlana vonjimaika.
Mihatra amin'ireo olom-pirenena vahiny ihany koa ny lalàna vaovao momba ny fivezivezena: voaràra tsy hiala ireo manana fahazoan-dàlana hipetraka maharitra na vonjimaika ho any Belarosy, raha afaka miala aorian'ny fitokanan-tena 10 andro kosa ireo mpitsidika avy amin'ny firenena anaty lisitra “mena”, izay tafiditra ao anatin'ny fameperana ara-pahasalamam-bahoaka noho ny areti-mandringana.
Nitsikera ny fameperana ny fivezivezena tao amin'ny Twitter i Valery Kavaleuski, mpanolotsaina momba ny raharaham-bahiny an'ilay mpitarika mpanohitra Sviatlana Tsikhanouskaya, izay mipetraka an-tsesitany any Litoania.
Lukashenka's regime's severely limited the right of Belarusians to travel asserting that certain grounds (residency abroad) aren't sufficient to leave Belarus. Yet the Constitution stipulates no conditions at all. Outright violation of the law by @GpkGovBYhttps://t.co/QZliAzNEKu
— Valery Kavaleuski (@kavaleuski) May 31, 2021
Namepetra fatratra ny zon'ireo Belarosiana hivezivezy ny fitondran'i Lukashenka, izay manamafy fa tsy ampy hialàna ao Belarosy ny antony sasany (toeram-ponenana any ivelany). Na dia tsy ahitana fepetra velively aza ny Lalàm-panorenana. Fanitsakitsahana tanteraka ny lalàna ataon'ny @GpkGovBY
Nilatsaka tao anatin'ny famerana saika feno teo amin'ny sehatra an'habakabaka manodidina an'i Belarosy ny fandraràna ny fivezivezena an-tanety, taorian'ny faneren'ny tafi-panjakana tamin'ny fiaramanidina mpiady ny sidina Ryanair higadona ao Minsk hisamborana an'i Raman Pratasevich, mpanao gazety mpanohitra tao anatin'ny fiaramanidina. Nipoitra tao amin'ny fahitalavi-panjakana Belarosiana izy avy eo tamin'ny resadresaka fiaikena iray nofaritan‘ny mpitsikera ny fitondrana ho “teo ambany fanerena”. Nanameloka izany hetsika izany ho piraty an'habakabaka ny solontenan'ny Vondrona Eoropeana sy ireo manampahefana hafa ary nandrisika ireo kaompaniam-pitaterana an'habakabaka Eoropeana mba hisambotra ireo sidina mankany sy mivoaka an'i Belarosy. Ho valin'izany, nanafoana ny sidina rehetra mankany amin'ny Vondrona Eoropeana ny zotra-pitaterana nasionaly an'habakabaka Belavia? nanidy ny ankamaroan'ny lalana fitsoahana ho an'ny belarosiana.
Mba hanerena bebe kokoa ny governemantan'i Lukashenka, dia noraràn'ny Vondrona Eoropeana tamin'ny fomba ofisialy tsy hiditra amin'ny zotra an'habakabaka Vondrona Eoropeanina na seranam-piaramanidina Eoropeana ny fiaramanidina Belarosiana tamin'ny 5 Jiona. Ampahany amin'ny sazy lehibe kokoa ho an'i Belarosy ity fandraràna ity ary mitaky amin'ireo fanjakana mpikambana “handà ny fahazoan-dàlana hiditra, hivoaka na hisidina ny faritanin'izy ireo amin'izay fiaramanidina ampiasain'ny mpitondra entana an'habakabaka Belarosiana”.
Notsikerain'ny solontenan'ny orinasam-pitaterana an'habakabaka ity fihetsika ity, nahitana an'i Willie Walsh, tale jeneralin'ny Fikambanan'ny Fitaterana An'habakabaka Iraisam-pirenena – International Air Transport Association (IATA), niantso azy io ho “famadihana ho politika ny fiarovana ny sidina an'habakabaka”. Niteraka tsikera avy amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona sasany ny fandraràna ny sidina, nilaza izy ireo fa mametra bebe kokoa ny làlana fitsoahana ho an'ireo miatrika faneren'ny fanjakana any Belarosy izany. Na izany aza, nilaza ilay mpanao gazety tsy miankina Hanna Liubakova fa i Lukashenka no tompon'andraikitra amin'ny fameperana ny fivezivezena.
How are people traveling from #Belarus right now? They can still leave through Moscow, Petersburg, Tbilisi or Istanbul. There are options, people are not left without any chance to escape dictatorship. It is not the EU but #Lukashenko who should be blamed for sanctions pic.twitter.com/RRTXJMOWCC
— Hanna Liubakova (@HannaLiubakova) June 6, 2021
Ahoana izany ny andehanan'ny olona mivoaka an'i #Belarus amin'izao fotoana izao? Mbola afaka mivoaka mamakivaky an'i Moskoa, Petersburg, Tbilisi na Istanbul izy ireo. Misy ny safidy, tsy avela mandositra ny jadona ny olona. Tsy ny Vondrona Eoropeana fa i #Lukashenko no tokony homena tsiny noho ny sazy