Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Jolay, 2014
Loha-laharana Amin'ny Adim-baovao Ao Okraina Ilay Lehilahy Tezitra Indrindra Ao Odessa
Mponina ao Odessa i Zloy_Odessit, bilaogera manafi-tava manavao ny bilaoginy imbetsaka isan'andro ahitana ireo vaovao sy hevitra momba ny zava-mitranga ao Okraina izy, ary manasongadina manokana ny fanentanana ara-miaramila ao Atsinanana
Empowering Cloghers (Fandrisihana ny Bilaogera Vehivavy)!
Inona no atao hoe Clogher? Manazava ny fikasan'izy ireo hanatontosa fiofanana sy fanohanana hoan'ireo bilagera vehivavy vaovao avy amin'ny faritra ambanivohitra sy ny fiarahamonina manerana an'i Kambodjia i Sopheap Chak. Empowering Clogher dia anisan'ny tetikasa vaovao nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Sorena Ny Miozolomana Shiita Ao Bahrain Fa Manohana Ny ISIS Ireo Mpanao Politika sy Mpitoriteny
Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2011, nitaraina noho ny fanavakavahana ara-politika sy ara-toekarena tao amin'ny firenena ahitana mponina 1,3 tapitrisa ny Bahrainita, izay Miozolomana Shiita ny ankamaroany, saingy mampiseho fironana tsy an-kiato mankany amin'ny fanavakavahana feno ireo zava-nitranga farany.
Mitady Mpitarika Hisahana Ny Fitantaram-baovao Amin'ny Teny Portiogey ny Global Voice
Mitady mpanitsy lahatsoratra antserasera mahay miteny Anglisy sy Portiogey mba hitantana ny fitantarana vaovao avy ao Portiogaly, Angola, Mozambika, Cape Verde, Guinea-Bissau, Sao Tome & Principe ary Timor-Leste ny Global Voices.
Vaovao Mahafaly Avy Ao Pakistan: Fisokafan'ny Jalaibi.com
Tetikasa hafa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ny Jaliaibi.com, fisantarana andraikitra vaovao avy ao Pakistana mba hanandratana ireo tantara vaovao tsy fahita amin'ny vaovao mahazatra, sy hizara vaovao tsara avy ao amin'ny firenena.
SARIPIKA : Herintaona ny tetikasan'ny Rising Voices “Mapping for Niger”
Mankalaza ny fahaherintaonany miaraka amin'ireo mpandray anjara rehetra ao aminy ny tetikasa Mapping for Niger.
“Miaraka Aminao i Syria, Ry Gaza”
Hatramin'ny poeta ka hatramin'ny mpikatroka avy ao afovoan'i Aleppo, izay tsy mitsahatra ny midaroka ny baomba, dia tsy miova ny fihetsiketseham-piraisankina Syriana-Palestiniana. Manana ny tantara i Syria Untold.
Tahotra, Fitiavana Ary Ny Fahavalon'i Iran Ankafizina ao amin'ny Aterineto (dia i Facebook)
Tamin'ny 13 Jolay, tanora Iraniana valo no voasazy an-tranomaizina maharitra noho ny zavatra nataon'izy ireo tao amin'ny Facebook. Vitsy dia vitsy ny zavatra fantatry ny mpikatroka ao anatiny sy ivelan'ny firenena mikasika ity raharaha ity.
Eto Ny “Sokajim-Pampitandremana” Hilaza Aminao Ny Famoretan'ny Polisin'i Hong Kong Amin'ireo Mpanohana Ny Demaokrasia
Nanangana ny "Sokajim-Pampitandremana" HongKongey, fampisehoana fihetsiketsehana izay mitsikera ny famoretana mahery vaika ataon'ny polisy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina ilay mpanakanto ao an-toerana, Kasey Wong.
Tsy Tian'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Anti-Gay ao Jamaika Ny Antsoina Hoe Mpankahala Pelaka
Niala an-daharana mba tsy hopetahana anarana "hômôfôby" ireo vondrona manohitra izay mety ho fanafoanana ny lalàna manohitra ny sodomia tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany. Nilaza kosa ireo bilaogera ao Karaiba fa rehefa hômôfôbia dia hômôfôbia.