Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Naomy · Desambra, 2013

Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Desambra, 2013

SARIPIKA: Olombelon'i Komoro, Madagasikara ary ny Nosy Masikarenina

Nampisy aingam-panahy mpaka sary manerana izao tontolo izao ny Humans of New York. Manana sarintavan'olona maro dia maro azo aseho ihany koa ny faritra Masikarenina.

Espaina : Nahomby Ny guifi.net, Tambajotra Maimai-Poana Tsy Mila Kofehy

Na fotoana inona na fotoana inona ao Espaina, olona an'arivorivony no miserasera amin'ny aterineto. Saingy mihamaro hatrany ireo Espaniola misafidy ny karazam-pitaovana mirazotra amin'ny aterineto, mba hialàna amin'ny sarany lafo avy amin'ireo tsena mpamatsy tolotra aterineto sy hanotofana ny hantsana nateraky ny fitaovana nomerika.

Tsia Amin'ny Fitaovam-Piadiana Shimika Syriana Hopotehina Any Albania

Nandeha ny tatitra fa hopotehina any Albania ny tahiram-pitaovam-piadiana Shimika Syriana. Notsipahan'ny governemanta Albaniana ny tolo-kevitra rehefa nahatezitra ny Albaniana ka nidinan'izy ireo an-dalambe.

Nalaina An-keriny Tao Syria Ilay Mpikatroka Tony Fihetsika Razan Zaitouneh Sy Ny Ekipany

Mpikatroka efatra, anisan'izany ilay mpikatroka tony fihetsika malaza manerantany Razan Zaitouneh, avy ao amin'ny Ivotoeran-tahirim-pandikan-dalàna [Violations Documentation Center (VDC)] ao Syria no nalain'ireo lehilahy misaron-tava mitondra fitaovam-piadiana an-keriny, izay niteraka ny antso famotsorana azy ireo avy hatrany.

Amp Laharana faharoa : 27 Novambra – 6 Desambra

Nivoaka ny taratasy mpivoaka indroa isa-kerinandron'ny Rising Voices! Hamarino ireo rohy rehetra, tombotsoa azo trandrahana sy lahatsoratra mety mbola tsy voavakinao...

Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra

Mbola manohy miresaka amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ireo mpisera Twitter, izay naneho hevitra manoloana ny vaovao nahafatesany ary nizara ireo teniny mendrika tsarovana i Nelson Mandela, filohan'ny Afrika Atsimo mainty hoditra voalohany

Ny Fahaterahan'ny Hetsika Hackerspace

Nitarika ny hetsika hackerspace ao Rosia ny neuron hackerspace ao Moskoa. Niresaka tamin'ilay mpamorona ny neuron izahay momba ny fahafahana manangana fikambanana sy ahafantarana ny zava-baovaon'ny hackerspaces,

Olona 7 Avy Ao Amin'ny Tranokalam-baovao Momba Ny Teknolojia Nosamborin'i Iran

Manana tantara lavabe momba ny famoretana ny fahalalahana ara-dizitaly ny Repoblika Islamika, saingy sokajiana ho pejy vaovao indray ny fisamborana ireo olona marobe izay manoratra momba ny "gadget" sy ny teknolojia.

Voafidy Hampiantrano Ny “Expo2020″ i Dubai!

Dubai no voafidy hampiantrano ny Fampiratiana Ara-barotra Manerantany "World Expo trade" amin'ny 2020. Mankalaza izany ny tontolon'ny Twitter.

Manery Ny Mpifindramonina Hifanolana Ireo Mpanao Trafikan'Olombelona Ao Sinai

Olona manodidina ny 30 000 eo ho eo no tratran'ny trafikan'olombelona ho any Sinai, Ejipta, nandritra ny dimy taona farany. Nisioka avy ao amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mombaity raharaha ity ny mpanao gazety iray monina ao Kairo antsoina hoe Bel Trew hanapongatra "ity raharaha tsy misy mpiresaka ity"