Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Oktobra, 2018
Kambodja: Fahatsiarovana Ny Fanafahana Sa Ny Fananiham-bohitra?
Ny 7 janoary 1979, nesorina teo amin'ny fahefana ny fitondran'ny Khmer Rouge tao Kambodja. Voampanga ho nikotrika ny fandripahana Kambodjiana marobe maherin'ny iray tapitrisa ny fitondrana kaominista. Tamin'ny faran'ny herinandro, nanamarika ny tsingerintaona faha-30 taonan'ny fianjeran'ny Khmers Rouges ny governemanta Kambodjiana (amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra). Saingy nizarazara ny hevitra mba hahalala raha toa io andro io tsy maintsy ho marihana ho toy ny fanafahana na ny an'ny fananiham-bohitra, satria i Vietnam, izay nanampy tamin'ny fanonganana ireo Khmers Rouges, dia nibodo an'i Kambodja hatramin'ny taona 1988.
Bangladesh: Aorian'ny Fifidianana, Tsy Maintsy Tanterahana Ireo Fampanantenana
Taorian'ireo sorona sy ady marobe, ny 29 desambra 2008, nanana fotoana naha-mety azy ireo olom-pirenena tao Bangladesh, tsy nisy tahotra na olana, nampihatra ny zony handatsa-bato sy hifidy an'ireo kandidà araka ny safidiny... Araka ireo fikambanana nasionaly sy iraisam-pirenena marobe, sahala amin'ireo olom-pirenena amin'ny ankapobeny, heverina ho nalalaka sy tsy nitanila ireo fifidianana ireo.
Shina: Inona No Niafaràn'ireo Niharamboina Vokatry Ny Horohorontany Tao Sichuan?
Iharan'ny ririnina mamirifiry ankehitriny ireo niharam-boina vokatry ny horohorontany tamin'ny 12 may 2008 tao Sichuan. Manam-pahefana iray eo an-toerana no milaza fa mety hahatratra -21°C ny maripàna farany ambany ao amin'ilay faritra tratry ny horohorontany. Ankehitriny , ny fanampiana an'ireo traboina hamakivaky ny ririnina henjana no mijanona ho asa iray maika sady sarotra.
Ireo Vehivavy Afrikana Manao Blaogy
"Isika ihany ve no mamaritra ny tenantsika sa ny famaritan'ireo hafa antsika", hoy Keeper manontany tena mikasika an'ireo eritreriny no sady manontany raha toa ny misy maripamantarana azy "... namboarina ho an'ny tenako ho valinteny iray amin'ny an-tanantohatra ankapobeny izay mametraka ny vehivavy afrikana eo amin'ny zanatohatra ambany indrindra? Sa io endrika ivelan'ilay maripamantarana ahy izay mbola tao mandrakariva saingy tsy nila velively nanamafy ny aminy?
Fotodrafitrasa CIA Ao Tonizia Hoe?
Avy ao amin'ny efitrano figadrana ao Bizerte (65km ao avaratr'i Tonizia), afaka namoaka taratasy iray tena mampiahiahy (nadika tamin'ny teny frantsay) izay tonga hatrany amin'ny Aterineto i Ramzi Bettibi, Toniziana iray voafonja . Mifonja mandritra ny efatra taona ao Bizerte i Ramzi noho ny namerenany namoaka teo amin'ny Aterineto, izay izy no mpandrindra, ny fanambaràna nataon'ny tarika iray mandrahoana hanao asa fampihorohoroana ao amin'ny firenena raha toa ny Praiministra Israeliana teo aloha, Ariel Sharon ka mbola nanatrika ny Fihaonambe Erantany mikasika Fampahalalam-baovao izay natao tany Tonizia tamin'ny taona 2005.
Korea: Fisamborana an'i Minerva
Olo-malazan'ny Aterineto, voasambotra i Minerva nony farany (jereo GV tamin'ny 30/11/2008, anglisy). Ary naparitaka ny mombamomba azy. Nametraka azy ho manampahaizana manokana amin'ny resaka toekarena ireo honohono marobe, manampahaizana manokana amina Tsenambola, na lehilahy iray misahana toerana ambony amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mifanohitra tanteraka amin'ireo tombatombana ireo, fantatra ankehitriny fa telopolo taona ary olona tsy manana asa izy, nahazo diplôma taorian'ny taona roa nanarahany fampianarana ambony.
Japana: Ndeha Hampitaha an'i Barack Obama Sy Taro Aso
Sahala amin'ireo firenena hafa rehetra eto amin'izao tontolo izao, Japana, izay anisan'ireo mpiara-dalana tena matanjaka indrindra amin'i Etazonia ao Azia, dia nanaraka akaiky ny fifidianana ny Filoham-pirenena Obama. Navoaka, nadika [teny japoney] ny kabariny tamin'ny fanokanana (izay, navoaka niaraka tamn'ireo lahateny hafa nataony tamin'ny fampielezankevitra, dia tena nalaza tokoa ka nahatonga azy ho lasa 'bestseller' ary nampiasaina ho toy ny boky fianarana teny anglisy any an-tsekoly) ary nanehoana hevitra antsakany sy andavany tamin'ireo media japoney sy ireo fandaharana tanaty fahitalavitra japoney
Suya Nizeriana!
Suya no anarana didin-kena iray nasaly eo ambony koveta mahamay tsy misarona, miaraka amin'ny menaka, tongolo ary sira.
Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika
Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"