Harentsoa Tsiky Rakotoson · Marsa, 2019

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Marsa, 2019

Bilaogera lasa mpiasan'ny serasera an'antoko politika

GV Mpisolovava  16 Marsa 2019

Tamin'ny taona 2008, nipoitra tamin'ny lohateny lehibe ilay bilaogera Maleziana Syed Azidi Syed Aziz tamin'ny fiantsoana ireo bilaogera Maleziana mba hanantona (na hametraka) ny sainam-pirenena mivadika ao amin'ny bilaogin'izy ireo. Famantarana ny firenena iray ao anatin'ny fahoriana izany. Ny antony nanaovany izany dia tsy tena hoe fitsinjovana ny hafa loatra.

Nabeel Rajab: Misioka avy any am-ponja!

GV Mpisolovava  15 Marsa 2019

Nosamborina indray i Nabeel Rajab, filohan'ny Foibe momba ny Zon'olombelona ao Bahrain, izay navotsotra vonjimaika tamin'ny herinandro lasa. Tahaka ny farany teo, nogadraina noho ny famoahana izay heverin'ny governemanta Bahrainita fa lahatsoratra manevateva tao amin'ny kaontiiny Twitter i Nabeel Rajab. Vokatr'izany, dia hogadraina mandritra ny 7 andro izy.

Iran: nosamborina indray i Khazali

GV Mpisolovava  15 Marsa 2019

Nitatitra i Shoorezar fa nosamborina indray tamin'ny herinandro lasa teo i Mehdi Khazali, bilaogera, mpamoaka lahatsoratra sady zanaka lahin'ilay mpitondra fivavahana malaza mpandala ny fivavahana sady mpikambana teo aloha tao amin'ny Vaomieran'ny Mpiambina, Ayatollah Khazali.

Polisy antserasera, Jeografia ao Iran

GV Mpisolovava  14 Marsa 2019

Nitatitra ny radiom-pirenena fa mikasa hanaparitaka "polisy antserasera" manerana ny firenena i Iran, nilaza ny Jeneraly Ahmadi Moghaddam fa "tsy misy fotoana hiandrasana" amin'ny fametrahana ny fiarovana farany an'ny Repoblika Islamika amin'ireo fahavalony tena izy sy fantany.

Miampy ny fanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK)

GV Mpisolovava  11 Marsa 2019

Misy ny raharaha ara-pitsarana vaovao mety hanampy trotraka ireo fiampangana fanalam-baraka sy fitoriana fanalam-baraka hanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK). Nitatitra ireo mpanao gazety vao haingana fa nametraka fitoriana azy tany amin'ny polisy ny Departemantan'ny Fampandrosoana ny Islamika (Jakim) sy ny sampana Miozolomana hafa.

Shina: Spam politika ao amin'ny Twitter

GV Mpisolovava  08 Marsa 2019

Fomba iray mahomby amin'ny fizaràna vaovao ivelan'ny tambajotra sosialin'ny mpiserasera ny rafitra "tag" (fanamarihana) ao amin'ny Twitter. Na izany aza, mora hiharan'ny hafatra spam ny rafitra. Any amin'ny firenena tandrefana, tarihin'ny tombontsoa ara-barotra ny ankamaroan'ireo mpanao spam, raha fitaovana ara-politika hanakorontanana ny fivezivezem-baovao kosa izany any Shina.