Tsy neken'ny Facebook ilay solon'anarana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2011)

Tao anatin'ny tantaram-panafintohinana ny Facebook izay mampiseho ny faharefon'ny politikany momba ny tsy fanekena ny solon'anarana. Andrea Petrou ao amin'ny Techeye.net nilaza hoe,

“The complaint against the company comes from a well-known Chinese commentator – Michael Anti – who has accused it of insulting him by closing his account. He hasn't been reported for bullying or similar, it's because he uses a pseudonym for a page he hosts.

The reason Facebook chose to close his account – it requires people to use their real names.

Born Zhao Jing, Anti has used the latter for over ten years and it's not uncommon for Chinese people to use English alternatives. Chinese people often pick English names and use them for communicating with foreigners.”

“Avy amin'ilay mpaneho hevitra Shinoa fanta-daza iray – Michael Anti – izay niampanga ny orinasa ho manevateva azy tamin'ny fanakatonana ny kaontiny ny fitoriana ny orinasa. Tsy nilaza izy fa noho ny fanorisorenena na zavatra tahaka izany, fa noho izy mampiasa solon'anarana amin'ny pejy tantaniny.

Ny antony mahatonga ny Facebook hanakatona ny kaontiny – dia mitaky ny olona izy mba hampiasa anarana tena izy.

Teraka tamin'ny anarana Zhao Jing, nampiasa io farany io i Anti nandritra ny folo taona mahery ary tsy vahiny amin'ny Shinoa ny mampiasa anarana amin'ny teny Anglisy. Matetika ny Shinoa misafidy anarana amin'ny teny Angllisy ary mampiasa azy ireo mba hifandraisana amin'ny vahiny. “

Michael Anti. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons.

Tsara ny manamarika eto fa vao haingana, nahazo pejy tao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ho an'ny tenany ny alikan'i Mark Zuckerberg, mpanorina ny Facebook. Mampametraka fanontaniana mazava izany, tsy manan-danja kokoa ny asan'ny mpanohitra izay miankina tanteraka amin'ny tambajotra fifanakalozam-baovao amin'ny alàlan'ny Facebook noho ny fankalazana alika iray?

Marina, manana pejy ilay alika fa tsy mombamomba azy ka tsy mihatra ny fitsipika momba ny anarana tena izy saingy mbola miseho ny rafitra fandanjan'ny tambajotra Facebook. Tsy vao omaly i Michael Anti no nampiasa io anarana io hiafenana amin'ny manampahefana Shinoa na hoe manararaotra ny anarany vaovao hisolokiana olona. Nampiasa io anarana io izy nandritra ny folo taona mahery ary manana taratasy fanamarinana Harvard, izay nahavitany vatsim-pianarana mihitsy aza ho fanaporofoana. Zava-dehibe ihany koa ny manamarika fa nametraka ny mombamomba azy tamin'ny taona 2007 izy. Noho izany, nandeha tsara tamin'ny anarana hoe Michael Anti ny Facebook nandritra ny efa-taona, ary ankehitriny dia hitany tampoka fa tsy azo ekena izany?

Haingana be ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ary manohitra ny politikan'ny Facebook ny ankamaroany. Nanamarika i Rebecca MacKinnon, mpiaro ny fahalalaham-pitenenana sady iray amin'ireo mpanorina ny Global Voices hoe,

“Zuckerberg's dog is on Facebook but for Chinese blogger Michael Anti it's not so easy.”

“Ao amin'ny Facebook ny alikan'i Zuckerberg saingy tsy mora kosa izany ho an'ilay bilaogera shinoa Michael Anti.”

Tafavoaka velona tamin'ny tantaram-panafintohinana maro ny Facebook, saingy tena manahirana ity iray ity satria marobe ireo mpikatroka sy vondrona mampiasa ny tranonkala mba hikarakarana sy handrindrana hetsika. Mety hisy fialàna marobe avy amin'ireo mpikatroka ve ao amin'ny Facebook?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.