Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Avrily, 2018
Ny herinandro tao amin'ny bilaogy boliviana
Afaka mampahatsiahy antsika ny olana mahazo ny hafa ny bilaogy. Satria maro amin'ireo Boliviana bilaogera no manoratra avy amin'ny toerana samihafa manerana izao tontolo izao, dia azon'izy ireo atao ihany koa ny mampiseho ny zavatra iainan'ireo Boliviana hafa, izay miezaka ny manao izany any amin'ny tany lavitry ny tanindrazana.
Etazonia: Guantanamo An-Tanindrazana
Nivadika ho nofiratsy ho an'ireo mpifindramonina an'arivony manana taratasy sy tsy manan-taratasy ara-dalàna ao Etazonia ny nofinofy Amerikana, satria nampidirina am-ponja mandritra ny volana sy taona maromaro ao amin'ny tranom-pihazonana mpifindra-monina manerana ny firenena izy ireo, miandry ny fitsarana sy ny fandroahana azy ireo
Etazonia: “Voices without Votes” mijery ny adihevitra
Rehefa miditra ao amin'ny tranonkalan'ny fifidianana Amerikana, Voices without Votes an'ny Global Voices ianao, dia azonao antoka fa afaka mahafantatra zavatra betsaka momba izay lazain'izao tontolo izao mikasika ny adihevitra androany alina eo amin'ny kandidà filoha lefitra Amerikana, Sarah Palin sy Joe Biden.
Shina: Ho avy “angamba” ny fanafarana kolontsaina tsy misy famerana
Vaovao miavaka raha marina fa nanaiky hamarana ny famerana ny fanafarana vokatra fialam-boly i Shina
Azerbaijan: Nampiahiahy ny Fialan'ny IRI
Toa tsy nanapaka ny tetibolany ho an'ny fandaharan'asan'ny demaokrasia i Etazonia (na USAID raha ny marina kokoa, sampana ao amin'ny Departemantam-panjakana izay manaramaso tetikasam-pandrosoana), fa kosa nanokana izany rehetra izany ho an'ny Ivontoeram-pirenena Demaokratika
Ejypta: andeha tifirina ireo mpanao fihetsiketsehana!
Raha niresaka momba ny fihetsiketsehana miverimberina sy ny fihetsiketsehana manohana ny demokrasia faha-6, voatsikera ireo mpikambana ao amin'ny Antokon'ny fitondrana (NDP) ao amin'ny Parlemanta nandritra ny fifamaliana teo amin'ny solombavam-bahoaka mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny firenena.
Thailandy: Famoriam-bahoaka sy ny vaovao farany ao amin'ny Twitter
Mihodidina ny tranoben'ny Parlemanta ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Thailandy tamin'ny alatsinainy maraina. Notarihan'ny Firaisam-bahoaka ho an'ny Demokrasia (PAD), te-hanongana ny governemanta ireo mpanao hetsi-panoherana. Nafindra vonjimaika tany amin'ny Seranam-piaramanidina Don Mueang ny biraon'ny filoha ao amin'ny firenena.
Lingua: Tetikasa Fandikan-teny Antserasera Manerantany
Tao anatin'ny roa taona, nitombo ny vondrom-piarahamonin'ny fandikan-teny ato amin'ny Global Voices satria nampiditra fiteny samihafa 15 (7 fanampiny ho avy!) ary mpandika teny an-tsitrapo maherin'ny 75. Raha ny marina, talanjona amin'ny fitomboanay izahay.
Afovoany Atsinanana: Sombiny Amin'ny Eid
Ho an'ireo Miozolomana an-tapitrisany manerantany, fotoana ho amin'ny fankalazana, fiarahan'ny fianakaviana sy fandinihana momba izany ny Eid Al Adha. Ity sombiny amin'ireo fanehoan-kevitry ny bilaogera ao Tonizia, Koety, Ejypta, ary Tiorkia.
Voces Bolivianas: Tetikasa Median'olon-tsotra (Fizarana Voalohany)
Ny Voces Bolivianas dia tetikasam-pampitam-baovaon'ny olom-pirenena izay mampiroborobo ny fampiasana ny TIC (Teknolojiam-baovao sy fifandraisana) mba ahafahan'ny Boliviana manokana avy amin'ireo vondrona zara raha fantatra mba hilaza ny tantarany momba ny fiainany sy ny fiarahamoniny, ka manapa-kevitra ny fomba hanehoana azy ireo.