Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Desambra, 2021
Nahariharin'ny Andron'ny seza foana ny manjò ireo mpanao gazety okrainiana nogadraina
Ny nifantohan'ny hetsika Empty Chair [seza foana] tamin'ity taona ity dia i Vladyslav Yesypenko, mpanao gazety mahaleotena notanana am-ponja tsy ara-dalàna tamin'ny fiampangana fitsikilovana noho ny tatitra momba ny zava-misy iainan'i Krimea fehezin'i Rosia.
Nambara ho Andro Manerantany ho an'ny teny Kiswahili ny 7 Jolay; Tetikasa vaovao iray mikasa hahatakatra tsara kokoa ny karazan-tenim-paritra Swahili
"Ny antenainay koa dia ny hankalazana ny teny Swahili ao anatin'ny fahasarotany — amin'ireo karazany sy fitenim-paritra maro, amin'ireo vondrona mpiteny Swahili..." – Ny ekipan'ny Tetikasa
Ahoana ny mety hampiatoan'ny fanonganam-panjakana nataon'i Burhan an'i Sodàna tsy hiditra ao amin'ny fianakaviambe iraisampirenena
Tsy afa-nanakana ny olom-pirenena mihoatra ny efatra tapitrisa hidina an-dalambe hamerenana ny governemanta sivily ny fanapahana ny fifandraisandavitra
Niatrika bala fingotra, baomba mandatsa-dranomaso alefan'ny polisy ny vehivavy tao Torkia rehefa nanao diabe hampitsaharana ny herisetra satria lahy/vavy
Ny fitakiana voalohany dia ny hidiran'i Tiorka indray amin'ny Fifanarahana Istanbul — fifanarahana iraisam-pirenena miantoka ny fanafoanana ny herisetra an-tokantrano ary mampiroborobo ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, fifanarahana izay nialàn'i Torkia tamin'ity taona ity.
Miteraka ahiahy momba ny fiainana tsy ahahaka ny tsy fitoviana amin'ny politikan'ny fanangonana lahatahiry ao amin'ireo orinasa pan-Afrikàna sasany ao Oganda
Nanambara ny tatitry ny Unwanted Witness fa ny ankamaroan'ny lahatahirin'olona manokana voangona an-tserasera dia manitsakitsaka ny zon'ny fiainana tsy ahahaka, tsy misy fiheverana izay fiarovana sy ny fahamendrehan'ny olom-pirenena.
Miteraka tsikera ny fahalalahana bebe nomen'ny manampahefana misahana ny tontolo iainana ao Bangladesh ho an'ny sehatrasan'ny fandravana sambo
Mitsikera ny fanapahan-kevitra farany noraisin'ireo manam-pahefana misahana ny tontolo iainana izany nampidina ny satan'ny indostrian'ny fandravana sambo avy amin'ny loko mena ho lasa volomboaosary ireo mpikatroka ao Bangladesh.ù!