Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Marsa, 2018
Bolgaria: Mpilalao Baolina Kitra Nidaroka Mpilatro
Tafintohina tamin'ny vaovao momba ny mpilalao iray ao amin'ny klioba mpilalao baolina kitra ao amin'ny firenena, CSKA, izay nidaroka mpilatro ambony Kristin Vacheva i Bolgaria.
Liberia : Tetikasa “CeaseFire Liberia” Mitantara Ny Krizy Ao Lofa
Nahitàna herisetra indray tao Liberia vao haingana: tovovavy iray no nisy namono, ho valifatin'izany, 4 hafa ihany koa nisy namono tahaka izany tao amin'ny faritra Lofa ao avaratry ny firenena. Nandritra ny korontana, nisy nandoro ireo fiangonana sy ny moskea. Nitantara momba izany korontana izany ny Global Voices.
Ejypta: Milaza ny Tantarany Ireo Bilaogera Nogadraina
Bilaogera Ejiptiana 20 mahery teny an-dalana hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny vono olona Coptic no voasambotra raha tonga tao an-tanànan'i Naga Hammady ao Ejypta ny fiara-dalamby nandehanan'izy ireo. Noafahana izy ireo fotoana fohy taorian'izay ary milaza ny tantarany amintsika.
Tonizia: Fankalazana ny Faha-10 taona Nahafatesan'i Bourguiba
Nahatsiaro ny tsingerintaona faha-10 nahafatesan'ny filoham-pireneny voalohany - Habib Bourguiba ny Toniziana. Mpisolovava Toniziana, mpitondra fanjakana ary mpanorina ny Repoblika Toniziana izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny 25 Jolay 1957 hatramin'ny 7 Novambra 1987.
Tonizia: Miteny Anglisy Ireo Bilaogera Toniziana
Nialàn'ny bilaogera Toniziana hatrizay ny maneho hevitra amin'ny teny Anglisy (fiteny fahatelo ao amin'ny firenena), fa aleony manoratra amin'ny teny Arabo (indraindray amin'ny fitenim-paritra Toniziana) na Frantsay. Saingy vao haingana, nampiasa teny Anglisy tamin'ny lahatsorany ireo bilaogera sasany.
Mampiely Ny Fahendrena Nentim-paharazana Amin'ny Alalan'ny Sary sy Soratra (Memes) Amin'ny Teny Hawai'i
Anisan'ny fanamby 2018 #MemeML, namoaka sary sy soratra maromaro ahitana fahendrena Hawaiian antsoina hoe ‘ōlelo no’aeau na “fomba fiteny tononkalo” i @aloha_aina.
Meksika: Mariazy sy Fananganan-jaza Ho an'ny Mpifankatia Pelaka Ao An-drenivohitra
Nankatoavina ho ara-dalàna ao Mexico City ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, taorian'ny fanitsiana nataon'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny fehezan-dalàna sivily tamin'ny 21 Desambra. Nandritra izany fivoriana izany ihany, nolaniana ny lalàna ahafahan'ny mpifankatia pelaka hanangan-jaza.