Harentsoa Tsiky Rakotoson · Febroary, 2019

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Febroary, 2019

Syria: Avotsory i Razan Ghazzawi

GV Mpisolovava  28 Febroary 2019

Nosamborin'ny manampahefana Syriana androany i Razan Ghazzawi, bilaogera ao amin'ny sisintany Syriana sy Jordaniana. Niteraka tsikera sy fahatezerana teo amin'ireo bilaogera sy mpikatroka manerantany, izay nitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro ny fisamborana a'ni Razan.

Iran: Niakatra fitsarana ilay bilaogera tanora indrindra nogadraina

GV Mpisolovava  28 Febroary 2019

Tsy voalohany manerantany ihany ny governemanta Iraniana amin'ny fanenjehana ireo bilaogera, fa nametraka zava-bita lehibe indrindra maromaro ihany koa izy ireo: manomboka amin'ilay bilaogera nogadraina voalohany teo amin'ny tantara, hatramin'ny bilaogera voalohany maty tany am-ponja.

Frantsa: Tsy lany tao amin'ny parlemanta ny lalàna ‘dona in-telo’ misahana ny troka “piraty” amin'ny aterineto

GV Mpisolovava  26 Febroary 2019

Nolavin'ny parlemanta ao Frantsa ny volavolan-dalàna Hadopi (la Haute Autorité pour la diffusion des œuvres et la protection des droits sur internet (Fahefana ambony misahana ny famoahana sangan'asa sy fiarovana ny zo amin'ny aterineto) tamin'ny Alakamisy (09.04.2009) ka miaraka amin'izany ny tsy fahombiazan'ny antokon'ny fitondrana UMP (21-15) hankatoa ny lalàna.

Shina: Fampitandreman'ny Sina Weibo an'ny Deutsche Welle

GV Mpisolovava  25 Febroary 2019

Noterena "hiseho amin'ny endrika hafa" ny kaonty Sina Weibo ofisialin'ny Deutsche Welle tamin'ny 13 Novambra 2011. Fanasaziana mahazatra fanaon'ny Sina Weibo ny famafana ny kaontin'ny mpiserasera namoaka "lohahevitra saro-pady". Raha mikiry mbola hijanona ao amin'ny Weibo ilay mpiserasera, dia tsy maintsy manokatra kaonty vaovao izy ary manangona mpanjohy vaovao indray, antsoin'ny mpiserasera Shinoa hoe "fisehoana amin'ny endrika hafa indray (re-incarnation) izany.

Shina: Fanarahamaso ny somaiso amin'ny finday

GV Mpisolovava  22 Febroary 2019

Araka ny tatitry ny Xinhuanet,  hanomboka hampiato ny SMS amin'ny finday ny sampana Mobile China Shanghai raha mahita izy ireo fa mizara votoaty "vetaveta", "pôrnôgrafika" sy votoaty hafa tsy ara-dalàna izy ireo.