Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Janoary, 2019
Thailandy: Nakaton'ny MICT ny “Liberal Thai”!

Vao avy nahita tranokalam-baovao amin'ny teny Thailandey Liberal Thai nakaton'ny proxy mangarahara mitodra ny mpiserasera mankany amin'ny minisiteran'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana ao Thailandy izahay.
Azerbaijan: Bilaogera roa voasazy

Araka ny efa natahoran'ny ankamaroan'ny mpanohana azy ireo, dia efa nanameloka an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli sahady ny fitsarana iray any Baku, Azerbaijanary ny andro nanaovana ny adihevitra momba ny raharaha hanenjehana ireo tanora mpikatroka roa amin'ny fibilaogina lahatsary, .
Iran: Hetsi-panoherana antserasera nandritra ny tsingerintaona faha-30 nibodoana ny ambasady Amerikana

Manamarika ny tsingerintaona fibodoana ny ambasady Amerikana ny 4 Novambra. 30 taona lasa izay, nibodo ny ambasady ireo mpianatra, saingy ankehitriny dia niova tanteraka ny mpianatra, ka tamin'ity indray mitoraka ity, ho fahatsiarovana izany andro izany, dia te-handefa hafatra milamina ho an'izao tontolo izao izy ireo.
Tonizia: Nogadraina ilay mpianatra Mohamed Soudani noho ny tafatafa tamin'ny fampitam-baovao iraisampirenena

Nanjavona tamin'ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia ilay mpianatra Toniziana Mohamed Soudani, 24 taona, rehefa avy nitafatafa tamin'ny Radio Monte Carlo International sy ny Radio France International.
Etazonia: Ny vokatry ny famoretam-pihetsiketsehana anti-G20

Nampiantrano ny fihaonambe G20 tamin'ny volana lasa (22-25 aogositra) i Pittsburgh, izay voamaloky ny hetsi-panoherana sy ny fomba mampiady hevitra nanakanan'ny manampahefana ny mpanohitra tamin'ny alàlan'ny Twitter.
Rosia: Tsy hita ireo mariky ny vidin'entana tao amin'ny tempoly
Tsy nijanona tao amin'ny toerana intsony ny lisitry ny vidin'entana ho an'ny tolotra ara-barotra nomena tao amin'ny [Katedralin'ny Kristy Mpamonjy ao Moskoa], izay napetrak'ireo bilaogera mba hahafaly ny masontsika elaela kokoa. Tsy mbola feno herinandro akory dia efa nesorina mangingina tsy ho hitan'ireo mpiserasera ny lisitry ny vidin'entana.
Tafatafa miaraka amin'i Eman AbdElRahman

Mamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaoginy manokana Lasto Adri [ar] sy ao amin'ny On My Own [en] ihany koa izy. Azo jerena ao amin'ny Twitter, @lastoadri ihany koa izy.
Ejypta: Mbola any am-ponja ilay bilaogera Abu Fagr na dia eo aza ireo baiko famotsorana miisa valo

Manamarika ny herinandro namoahana ny didy famotsorana faha-valo an'ilay bilaogera Ejypsiana Mos'ad Suleiman Hassan (a.k.a. Mos'ad Abu Fagr) androany; Na dia teo aza izany, dia mbola any amin'ny tobin'ny polisy ao El Arish (Sinai Avaratra) foana i Fagr .
Ejipta: Bilaogera nogadraina noho ny “fanararaotana ny toetrandro demaokratika”

Rehefa avy notazonina natao fanadihadiana nandritra ny 15 andro, dia mbola any am-ponja ilay bilaogera Ejipsiana Ahmed Mohsen, satria voampanga ho "Manararaotra ny toetrandro demaokratika hanonganana governemanta"
Ejipta: Nampitandreman'ny fiarovam-pirenena ny bilaogera iray mba tsy hanohy hanoratra ao amin'ny aterineto

Nampanantsoina tany amin'ny foiben'ny Fiarovam-pirenena ilay bilaogera Ejypsiana Abdel Rahman Fares, izay nomena tsiny noho ny asa sorany antserasera. Nampitandremana i Fares fa hosamborina izy raha mbola manohy mibilaogy, ary nangatahana mba hanajanona ny zavatra ataony amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto.