Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Jolay, 2019
Efa misy ankehitriny ny Lingua vaovao Nubian!
Miarahaba izao tontolo izao! Efa misy ankehitriny ny Lingua Nubian! Tsy maintsy milaza aho fa nofinofiko hatramin'ny naha-mpitantana ny Lingua ahy ny hanana ny Nubian eo amin'ny fitenintsika. Misaotra anao, Momen Talosh, noho ny fahavononanao hanara-maso ny fanombohana ny tetikasa!
Ny hetsi-panoherana Birmana 2007
Nitarika fihetsiketsehana sivily goavana nanerana ny araben'i Myanmar ireo mpikatroka demaokrasia niaraka tamin'ireo moanina bodista. Avy amin'ireo bilaogera Birmana sy ny fampahalalam-baovaon'olo-tsotra ny sary, lahatsary ary ny tatitra mivantana, any amin'ny firenena izay tsy ahafahan'ny media Tandrefana miditra.
Tonian-dahatsoratra vaovao Ordò
Fantaro i Anas Saleem, Tonian-dahatsoratra vaovao Lingua amin'ny teny Ordò! Mpanao gazety mahaleotena sady bilaogera avy any Faisalabad, Pakistan i Anas.
Rivo-doza Myanmar 2008
Namely an'i Myanmar (Burma) tamin'ny fiandohan'ny volana Mey 2008 ny rivo-doza nahafatesana olona, izay niteraka aina nafoy marobe sy fahasimban'ny tontolo iainana.
Andro Manerantany (iadiana amin'ny) SIDA 2008
Manamarika ny faha-20 taonan'ny Andro Erantany iadiana amin'ny SIDA (1 Desambra) ity taona ity. Olona maherin'ny 33 tapitrisa no miaraka amin'ny VIH/SIDA, ary farafahakeliny 2 tapitrisa no maty tamin'ny taona 2007. Mandray anjara lehibe amin'ny fanentanana momba ny VIH/Sida ny bilaogera manerana izao tontolo izao.
Gulnara Yunusova: Ny roa taonako tato amin'ny GV
Raha fehezina, dia azo lazaina tsara fa nihoatra noho ny nantenaina ny traikefako tamin'ny GV. Rehefa nidiitra ho mpikambana aho, dia nihevitra fa resaka lahatsoratra izany - kanefa toa hita fa fifaneraserana amin'ny olona marobe ihany koa izany.
Hamoaka lahatsoratra amin'ny bilaogim-piarahamonina!
Raha te-hiditra amin'ity tranonkala ity ianao no sady handefa ny lahatsoratrao voalohany mandritra izany, dia ampiasao azafady ny endrika etsy ambany mba handefasana ny lahatsoratrao sy ny sarinao voalohany. Raha vao tafavoaka izany, dia hahazo ny kaontinao manokana ianao: toy ny amin'ny tranokala GV hafa.
Zo sy Andraikitr'ireo Mpandray Anjara Global Voices
Asongadina ao amin'ny Manifesto Global Voices ireo tanjontsika sy ny soatoavintsika amin'ny ankapobeny.
Mifandraisa aminay
Raha te-hifandray amin'ny olona misahana ny tetikasa Global Voices amin'ny ankapobeny ianao dia safidio azafady ny olona mifandraika amin'izany ao amin'ny Fifandraisana Global Voices.
Atao inona ny tranonkala Community?
Ny bilaogin'ny vondrom-piarahamonina dia sehatra ho an'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices mba hizarana tantara momba ny fiainantsika, ny tranontsika, ny diantsika sy ny fihaonantsika, mba handinihana ny asantsika sy hizarana hevitra momba ny sehatra misy antsika.