Harentsoa Tsiky Rakotoson · Aogositra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Aogositra, 2018

Okraina: Vazivazy momba ny amboara manerantany

Toa nahatsikaiky ny vazivazy malaza momba ny zava-bita mahavariana sy tsy nampoizina tanteraka tamin'ny Amboara Manerantany tany Okraina - sy ny loza ara-bola naterak'izany ora vitsy lasa izay. Nandresy an'i Okraina avy eo i Italia tamin'ny ampaha-efa-dalana tao Hamburg. Tsy mampihomehy intsony, ho an'ny maro avy eo ny vazivazy.

31 Aogositra 2018

Mpanoratra Asongadina: Jillian York

Mamaritra ny tenany ho toy ny "mpanoratra, mpikatroka, mpiady amin'ny sivana an'aterineto sy bilaogera" i Jillian York. Monina ao Boston izy ary miasa ao amin'ny Berkman Center for Internet & Society ao amin'ny OpenNet Initiative sy ny Herdict, tetikasa ifarimbonana iray mamantatra ireo tranonkala nakatona.

30 Aogositra 2018

Bilaogera vehivavy manantalenta ampahafantarina any ivelany

Rising Voices

Nandritra ny atrikasa fitoraham-bilaogy vao haingana nokarakarain'ny Voces Bolivianas tao El Alto, Bolivia, namaly fanontaniana avy amin'ny iray tamin'ireo mpandray anjara i Cristina Quisbert. Mifandraika amin'ny dian'i Cristina tany ivelany mba hanatrika ny Fihaonambe BlogHer any Chicago, Illinois izay natao ny 24-25 Jolay 2009 ny fanontaniana.

28 Aogositra 2018

Rising Voices, manampy ny mponina manerana izao tontolo izao handray anjara amin'ny Resaka manerantany

Rising Voices

Noho ny fanohanana mahafatra-po avy amin'ny John S. and James L. Knight Foundation, manomboka tetikasa fanentanana vaovao antsoina hoe Rising Voices ankehitriny ny Global Voices, izay mikendry ny hampiely ny tombontsoan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra amin'ny faritra, ny fiteny sy vondrom-piarahamonina izay zara raha fantatra amin'ny tranonkala fifampiresahana.

20 Aogositra 2018