Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Janoary, 2018
Iran: Kabarin'i Ahmadinejad Tao Amin'ny Oniversiten'i Columbia
Nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny media manerana izao tontolo izao ny kabarin'ny filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadineajd tao amin'ny Oniversiten'i Columbia ao New York sy ny teny mafy ary ny tsikera nataon'ny filohan'ny onivesite Lee C. Bollinger nandritra ny fanamarihany tamin'ny Alatsinainy 24 Septambra.
Shily: OLPC sy ny Politika 2.0
Tena gaga ireo bilaogera Shiliana hatramin'izao amin'ilay solosaina finday 100 dolara Amerikana, OLPC. Saingy ahoana no hahatongavan'ny fitaovana vaovao, natao hamenoana ny hantsana nomerika any Shily? Inona no idiran'ny solosaina finday amin'ny politika?
Mitady Mangarahara Ara-politika i Shily
Nanapa-kevitra hampiato ny firaisan'ny antokony amin'ny PPD i Fernando Flores (ES), Senatera avy amin'ny fiaraha-mitantana ankavia, noho ny resaka kolikoly miaraka amin'ireo senatera hafa avy ao amin'ny fiaraha-mitantana ihany.
Népal : Krizin'ny Angovo
Lohahevitra resahana manerantany ny fitsitsiana angovo sy ny fitadiavana loharanon'angovo tsy manimba ny tontolo iainana. Ho an'ny firenena mandroso sy ny an-dalampandrosoana, iray amin'ireo olana manan-danja ny angovo. Resahana ankehitriny any Washington ka hatrany Riyadh ny tahotry ny tsy fahampian'ny angovo amin'ny hoavy.
Thailandy: Blogcon Thailandey 2006
Notontosaina tamim-pahombiazana tamin'ny Alahady 19 Martsa 2006 ny BlogCon Thailand 2006, fivorian'ireo bilaogera voalohany izay miresaka momba ny Weblogs, ny Fampahalalam-baovao Antserasera sy ny Fiarahamiasa Thailandey.
Tsy Nankatoavin'ny Antenimiera Ny Fanalan-jaza Ao Shily
Tamin'ireo vato 61 manohana, nanapa-kevitra tsy hankatoa ny fanalàn-jaza ny antenimieram-pirenena ao amin'ny kongresy Shiliana ary nanambara azy io ho "tsy azo ekena". Ny vato 21 kosa dia manohitra ary ny 3 tsy naneho hevitra.
Fifaninanana Bilaogy Latina-Amerikana Voalohany
Mikarakara fifaninanana bilaogy “Loka Atina Bilaogy”(ES) ny Atina Chile(ES), hetsika ara-tsosialy mampiroborobo ny fibilaogina ao Shily.
Goadelopy : Kwanzaa, Zava-baovao Amin'ny Fetin'ny Faran'ny Taona
Ankoatra ny fankalazana ny Krismasy nentim-paharazana, namorona zava-baovao, Kwanzaa, vao haingana i Goadelopy, izay manomboka ny 26 Desambra ary mifarana ny 1 Janoary.