Harentsoa Tsiky Rakotoson · Aogositra, 2019

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Aogositra, 2019

Jordania: Ny fifandraisana ao Gaza

Raha mbola manohy ny fanafihany an'i Gaza ny Israeliana, mandeha mihoatra noho ny fanamelohana ny herisetra ireo bilaogera Jordaniana ary mamadika ny tenin'izy ireo sy ny fihetseham-pon'izy ireo ho asa mivaingana. Fanentanana Komity 7iber/Action manangona ireo fanomezana ankoatra izay nomanin'ny mpikarakara azy.

28 Aogositra 2019

Palestina: “Tsy fantatr'izy ireo hoe ho velona ve izy ireo”

Izany no nahatonga an'i Mohammad, monina ao Ramallah saingy avy any Gaza, nanomboka ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe "Mahazatra kokoa noho ny torimaso ny fahafatesana" Nandritra ny 17 andro, hatramin'ny nanombohan'ny fanafihana voalohany tao Gaza, nizara ny antson'ny fianakaviana ao amin'ny  KABOBfest i Mohammad mba hahafahan'izao tontolo izao mandre ny tantarany.

19 Aogositra 2019

Taoriana (na fiantraikan'ny) fifidianana Kenya taona 2008

Narahana fandoroana olona sy herisetra nateraky ny ahiahy fisian'ny fangalaram-bato ny fandresena tsy nampoizina azon'ny filoha teo aloha Mwai Kibaki (PNU) tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Kenyana. Maherin'ny 200 no maty ary an'aliny no nafindra toerana. Notoherin'ny kandidan'ny mpanohitra Raila Odinga (ODM) ny fandresen'i Kibaki, ary nanambara ny tenany fa mpandresy izy.

14 Aogositra 2019