Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Septambra, 2023
Mitaky ny rariny ny fihetsiketsehana roa taona taorian'ny nahamaizan'ny hopitaly COVID-19 tany Makedonia Avaratra
Tsy niatrika tamberin'andraikitra tamin'ny fahamaizana nahafatesana olona 14 ny orinasa nanangana ny hopitaly sy ny tompon'andraiki-panjakana nankatoa ny fanorenana.
Raha tsy misy ny fahafahana manavao ny pasipaoron'izy ireo any ivelany, ao anaty limby ny Belarosiana any an-tsesitany
Nanasonia didim-panjakana ny mpitarika Belarosiana Lukashenka milaza fa tsy afaka manavao ny pasipaorony any amin'ny kaonsilà any ivelany ny Belarosiana monina any ivelany.
Fiangaviana hiaro ny voromanidin'i Jamaika
Milaza ny Lalàna miaro ny biby mpirenireny any Jamaika fa “arovana ny vorona teratany rehetra”. Anisan'izany ny boloky [mg] sarivazo boloky, vorondolo, voron-dranomasina ary vorondrano amoron-dranomasina. Na dia ireo vorona mpifindra monina izay mipetraka ao anatin'ny fotoana fohy aza dia voaaron'ny lalàna.