Harentsoa Tsiky Rakotoson · Novambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Novambra, 2018

Holandy: Tafaray ireo vehivavy am-pielezana Amerikana Latina

Nikarakara fihaonambe ho an'ireo vehivavy mpifindra monina Amerikana Latina sy Karaiba any Amsterdam ny fikambanana Eoropeanina DiasporaSolidaria.org, izay nifanakalozany hevitra toy ny zon'izy ireo, ny toetra miovaova amin'ny fianakaviana sy ny fandaniana. LA Ruta mitondra antsika lahatsary fohy mandrakitra ny sasantsasany amin'ny zavatra niainan'izy ireo.

30 Novambra 2018

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

30 Novambra 2018

Obama sy India

Ny fifidianana an'i Barack Obama no zava-nitranga be mpijery indrindra tany Inde. Toa i Obama no safidy ho Filoha ho an'ny bilaogera maro any India. Ity misy sombiny vetivety momba ireo fanehoan-kevitra voalohany avy amin'ireo bilaogera any India momba ny dika ara-tantara tamin'ny fifidianana an'i Obama.

29 Novambra 2018

Arzantina: 20 taonan'ny sarimihetsika sy sarimiaina “El Mate” maimaim-poana any an-tsekoly

Nandritra ny 20 taona mahery, ankizy sy zatovo Arzantiniana an-jatony maro no nianatra momba ny fanaovana horonantsarimihetsika sy sarimiaina izay tafiditra ao anatin'ny fandaharana Taller de Cine El Mate, ary ahafahan'ireo ankizy avy ao amin'ny kaominina Vicente López ao Buenos Aires mandray anjara sy mitrandraka ny dingana fanaovana filma maimaim-poana.

26 Novambra 2018