Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Novambra, 2019
21 no maty ary anjatony ny maratra tamin'ny fihovitrovitry ny tany mahery tao Albania
Farafahakeliny 21 no maty ary mihoatra ny 600 no naratra taorian'ny horohorontany mahatratra ny maridrefy 6,4 nahazo an'i Albania ny marainan'ny talata 26 Novambra 2019. Ny foiben'izany dia tao an-tanàna seranantsambon'i Durrës, tokony ho 32 km avy ao an-drenivohitra Tirana.
Fihetsiketsehana ao Iran: Tifitra bala sy fanakatonana aterineto
Mihorohoro izahay amin'ny tatitra fa mpanao fihetsiketsehana am-polony no maty tany #Iran, an-jatony no naratra ary mihoatra ny 1000 nosamborina nanomboka tamin'ny zoma. Gaga izahay fa nakaton'ny manampahefana ny aterineto mba hanakanana ny tati-baovao momba ny famoretana mahery setra ataon'izy ireo. Manao fanadihadiana izahay ankehitriny.
Tsy misy paradisa ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ao Bahrain
Nalaza ny lahatsary "Famoretana" nataon'ny polisy ao Bahrain, namoaka fanambarana ny minisitry ny atitany: "izay rehetra maka sary hetsika dia tokony hitatitra izany avy hatrany" any amin'ny manampahefana. Roa andro aoriana, sy mifanohitra amin'izany fanambarana izany, maro ireo tezitra tamin'ny vaovao momba ny fisamborana ilay mpanao gazety mpaka sary.
Mangataka amin'ny Sekolin'ny Lalàna ao Harvard i Antigua & Barbuda mba hanome fanonerana avy amin'ny tombontsoa azony tamin'ny fanandevozana
Tsy mahavita manitsy ny tsy rariny goavana ny fiekena fa nandray tombontsoa lehibe tamin'ny lamosin'ny andevo tao Antigua ny Harvard ary nanao fanovana an'ohatra vitsivitsy tamin'ny takelaka na ampinga.
Navotsotra ihany ilay mpitsoa-ponenana Iraniana-Kiorda Behrouz Boochani
"Vao avy tonga aty Nouvelle-Zèlande aho. Tena faly nahazo fahafahana enin-taona aty aoriana."
Nahoana i Pakistan no miezaka manelanelana amin'ny fifampiresahana fandriampahalemana eo amin'i Iran sy i Arabia Saodita?
Na eo aza ireo olana anatiny marobe tsy voavaha, voatsikera mafy ao an-tanindrazana sy ny any ivelany ny andraikitr'i Pakistan amin'ny fifampiraharahana amin'ny resaka fandriampahalemana Iran-Saodita.
Fetiben'ny Zavakanto tsy eken'ny “toe-tsaina nasionaly” ao Azerbaijan
Nampifantoka ny maso loatra ny hosodoka an-drindrina iray mamaritra vatana transgenre iray ka tonga dia voaloko raha vao vita ny fetibe — ary tsy artistika no nanaovana izany.