Harentsoa Tsiky Rakotoson · Janoary, 2019

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Janoary, 2019

Ejypta: Bilaogera 2 Navotsotra ary iray hafa mbola tsy hita (podcast)

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

Navotsotra ny roa tamin'ireo bilaogera telo nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009. Navotsotra i Abdel Rahman Ayyash sy Magdy Saad rehefa notazonina nandritra ny enina andro tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo, ary avy eo nalefa tany amin'ny foiben'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitsikilovana (SSI) ao amin'ny Kianjan'i Lazoghly, (Cairo).

FreeAccess Plus!: Miasa manoloana ny fibahanana Web 2.0

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

Namoaka ny "FreeAccess Plus!" ny developera Iraniana iray hafa, MohammadR, fanitarana mamadika ny Firefox ho ao amin'ny proxy izay manala ny sivana ao amin'ny tranonkala malaza toy ny YouTube, del.icio.us, Flickr, Technorati.com, FriendSter.com, livejournal.com, MySpace, Hi5 ary ny hafa. Maro amin'ireo vohikala ireo no voaràra ao Iran.

Malezia: Fitsipi-pitondrantena amin'ny rehefa mibilaogy?

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Taorian'ny fisavorovoroana be teo amin'ny bilaogy Maleziana, nanolo-kevitra ny Minisitry ny Atitany, Datuk Seri Syed Hamid Albar vao haingana fa tokony hanangana fitsipika momba ny fitsipi-pitondrantena azy ireo manokana ny bilaogera mba hiantohana ny maha-tompon'andraikitra sy izay rariny amin'ny asa soratr'izy ireo.