(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)
Manamarika ny herinandro namoahana ny didy famotsorana faha-valo an'ilay bilaogera Ejipsiana Mos'ad Suleiman Hassan (a.k.a. Mos'ad Abu Fagr) androany; Na dia teo aza izany, dia mbola any amin'ny tobin'ny polisy ao El Arish (Sinai Avaratra) foana i Fagr.
Manana bilaogy antsoina hoe Wedna Ne3eesh (Te-hiaina izahay) i Fagr, mpikatroka Sinai sady mpanoratra tantara, manoratra momba ireo fitakiana sy ny fiainan'ireo Bedouins ao Sinai, ary ny zo maha-olom-pirenena takian'izy ireo koa izy.
Nosamborina tamin'ny 26 Desambra 2007 i Abu Fagr taorian'ny fikasan'ny governemanta Ejipsiana haka ireo trano ao Rafah sy ny fihetsiketsehana taorian'izany. Nampangain'ny biraon'ny mpampanoa lalàna i Abu Fagr, anisan'izany ny fiampangana ho nitarika fitroarana, fanoherana ny manampahefana, ary fanafihana ireo mpiasam-panjakana am-perinasa. Na dia nandidy ny famotsorana an'i Abu Fagr aza ny fitsarana, dia nanapa-kevitra ny hitazona azy ny mpampanoa lalàna ao El Arish noho fiampangana vaovao voalaza fa namboamboarina tamin'ny volana Febroary 2008, anisan'izany ny fihazonana fitaovam-piadiana tsy misy alalana ary fitondrana fiara tsy misy taratasy fahazoan-dalana hamily fiara.
Hatramin'ny nisamborana azy, dia notazonin'ny polisy ity bilaogera Sinai ity ary avy eo nalefa tany am-ponja. Notazonina voalohany tao El Arish nandritra ny 15 andro izy ary avy eo nafindra tany Ismailia, Toeram-piarovana ao Sinai Avaratra, tobin'ny polisy ao Rafah, ary avy eo indray tao amin'ny tobin'ny polisy El Arish mba hatao fanadihadiana momba ireo fiampangana vaovao, ary avy eo nalefa tany Borg Al-Arab.
Amin'izao fotoana izao, dia ao amin'ny tobin'ny polisy Al-Arish ao Sinai i Mos'ad Abu Fagar, afaka mitsidika azy matetika ny fianakaviany, araka ny voalaza ao amin'ny bilaoginy, izay ny vadiny indray no manoratra tsy tapaka ao. Mitantara ny fitsidihana nataon'ny vadiny sy ny zanany vavy, Ranad ny bilaogy.
Ny endrik'i Ranad no singa lehibe amin'ny fanentanana firaisankina amin'ity bilaogera Sinai ity. Niparitaka manerana ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana ny sarin'ny zanany vavy mihazona ny sarin'ny rainy, na sora-baventy mivaky hoe “Tiako hiverina hody i Dada“.