Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2009

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Avrily, 2009

30 Avrily 2009

Madagasikara: Manitsakitsaka ny fahafahana maneho hevitra ny governemanta tetezamita

Mampidi-doza ny fahafahana maneho hevitra aty Madagasikara ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemantan'i Andry Rajoelina, filoha mpitarika ny Fitondrana Avon'ny Tetezamita. Ny voalohany amin'izany dia ny fisamborana mpanao fihetsiketsehana 3, ny malaza amin'ireny dia Razily, ilay tovolahy hita amin'ny sary mihetsika fa nitondra sainam-pirenena, talohan'ny nanipazana azy tao anaty fiara sy novonoin'ny...

23 Avrily 2009

Madagasikara: manahy ny hiverenan'ny korontana ny mponina taorian'ny fialan'ny filoham-pirenena

Ankehitriny dia ny anankiray izany (Rajoelina). Tonga eo amin'ny fiafarany ny fifandrohitana fahefana teto Madagasikara hatramin'ny volana janoary no mankaty. Omaly alarobia mantsy, taorian'ny fanandramana nataon'ireo mpanara-dia an'i Andry Rajoelina hanala an-dRavalomanana eo amin'ny fitondrana, dia nandray ny fanapahana ny lapam-panjakana tao Ambohitsirohitra ny tafika, izay lasa niandany tamin'i Andry...

Ireo antony sy ny vokatry ny fanonganam-panjakana taty Madagasikara

Taorian'ny famindram-pahefana natao ny 17 martsa taty Madagasikara dia nihamafy hatrany ny korontana tao amin'ity nosy ity. 15 000 no isan'ny olona tsy nanaiky iny fanonganam-panjakana iny no nanamarika efa ho enina andro izao ary notifirin'ny miaramila tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso efa ho 3 andro tsy an-kiato izao. Ny 28 martsa...

22 Avrily 2009

Madagasikara: mizotra ho any amin'ny fanoloana mpiambina?

Mety hipaka amin'ny kihon-dalana ny krizy eto Madagasikara: ny fiatombohan'ny fiafaran'ny fanjakan-dRavalomanana. raha mbola tsy fantatra mazava hoe iza no tena manana ny fahefana, dia tsapa fa nifidy hiaraka amin'ny ben'ny tanànan'Antananarivo taloha, Andry Rajoelina, ny tafika. Efa eo ambany fifehezan-dRajoelina ny biraon'ny praiministra sy ny fahitalavitra an'ny fanjakana Milaza...