Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Janoary, 2012
Madagasikara: Tsy Navela Hody Ny Filoha Teo Aloha Ravalomanana
Nanambara ny hodiany an-tanindrazana, rehefa nanao sesintany ny tenany efa ho telo taona, tany Afrika Atsimo, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny 21 Janoary 21, nitaintaina ny tao an-drenivohitra miandry ny fiverenany fa an'arivony ny olona no eny an-dalana mankany an-tseranana. Saingy minitra vitsy taoriany ny nidirany ny faritr'habakabaka malagasy dia nilazana mba hivily lalana ny voromby ka higadona any an-tanàna hafa. Mitantara mivantana ity toe-draharaha mafampana ity ny Malagasy.
Madagasikara: Dia Ahoana Ny Manaraka Rehefa Tsy Tafody Ny Filoha Teo Aloha?
Tamim-pitaintainana no niandrasan'ny Malagasy ity fikasan-dRavalomanana hody ity rehefa sesintany nandritra ny telo taona ny tenany. Mamakafaka ny toe-draharaham-pirenena sy ny mety ho tohiny ny mpamaham-bolongana.
Madagasikara : Taorian'ireny raharahara fanaovana ampihy mamba ny tany lonaka ireny, dia efa tafaverina sahady ve ny Daewoo?
Ny namana mpiblaogy Sam Ganegie no manapariaka taratasy malalaka izay nosoratan'Atoa Mamy Rakotondrainibe hoan'Atoa Andry Rajoelina ary mangataka fangaharahana mikasika ny raharaha manodidina ny fiverenan'ny orinasa Daewoo Logistics anivon'ny tontolo ekônomika...
Nanao Jery Todika Ny Taona 2011 ny Global Voices “Néerlandais”
Raha toa ny taona 2012 ka efa mandeha tsara amin'ny làlany, ireo mpandika teny ao amin'ny Global Voices "néerlandais" dia nanao jery todika ny taona 2011. Inona ny lahatsoratra niavaka indrindra ary inona no mampiavaka ny Global Voices ?
Madagasikara, Etiopia: Varoboba tany lonaka
Ny fikambanana “TANY” izay miady hoan'ny fiarovana ny tany any Madagasikara no nanapariaka lisitra mitanisa ireo tany any Madagasikara efa ataon'ny vahiny ampihy mamba [fr]. Mampahanfatatra ny rehetra ry zareo...