Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Novambra, 2023
Madagasikara: Onjam-pahatezerana taorian'ny fahafatesan'ilay mpanakanto mpikatroka maty noho ny fahataran'ny fitsaboana azy
Nodimandry ny 19 Novambra 2023 teo amin’ny faha-57 taonany ny mpanjakavavin’ny Salegy Malagasy, mpihira malaza antsoina hoe Ninie Doniah, avy any Nosy Be.
Madagasikara: Mafampàna ny raharaha mialoha fifidianana filoham-pirenena
Mbola mihozongozona ny toe-draharaha politika eto Antananarivo ary mitohy ny famoretana ny fihetsiketsehana. Mety hanahirana ny fifidianana 16 novambra 2023 raha tsy hita izay marimaritra iraisana.
Manome sehatra tantara mampientam-po ny #MeToo (Za koa) Malagasy nosoratan'i Hary Rabary
Nitafatafa tamin'ny mpanoratra Hary Rabary, izay mpampianatra sady dokotera ny Global Voices mba hiresaka momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiarahamonina malagasy: fanorisorenana ara-nofo sy fanolanana.
Ny krizy politika Malagasy araka ny fijerin'i Rijasolo, mpakasary
Nantsafain'ny Global Voices ny mpaka sary malagasy Rijasolo izay manangom-baovao ihany koa amin'ny toe-draharaha politika amin'ny alalan'ny sary manaitra mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena be mpanohitra.