Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Febroary, 2012
Madagasikara : Ny Fahasimbana Nateraky Ny Rivodoza Giovanna An-Tsary sy An-Dahatsary
Niditra an-tanety teto Madagasikara tamin'ny 13 febroary tamin'ny valo ora alina ora eto an-toerana ny rivodoza Giovanna. Tafiditra tamin'ny sokajy fahaefatra ilay rivodoza, amin'ny rivotra 194km isan'ora (120mph) nentiny izay nanapaka hazo sy ny andrin-jiro. Araka ny tatitra nivoaka ofisialy dia 10 raha kely indrindra ny maty amin'izao fotoana izao. Tapaka jiro nandritra ny fotoana maharitra ny tanàndehibe roa indrindra eto Madagasikara dia Antananarivo sy Toamasina izay sambany niaina ny andron'ny mpifankatia tanatin'ny aizina ela indrindra hatramin'izay
Madagasikara : Fientanan'olon-tsotra Ho Fampahafantarana Mikasika ny Rivodoza Giovanna
Nifanome tanana ny bilaogera Malagasy ka namorona sehatra iray hanarahamaso sy handrakofana ny fizotry ny rivodoza Giovanna izay niditra ny faritra Atsinanan'i Madagasikara tamin'ny 11 ora alina, ora ao an-toerana....