Ankehitriny dia ny anankiray izany (Rajoelina).
Tonga eo amin'ny fiafarany ny fifandrohitana fahefana teto Madagasikara hatramin'ny volana janoary no mankaty. Omaly alarobia mantsy, taorian'ny fanandramana nataon'ireo mpanara-dia an'i Andry Rajoelina hanala an-dRavalomanana eo amin'ny fitondrana, dia nandray ny fanapahana ny lapam-panjakana tao Ambohitsirohitra ny tafika, izay lasa niandany tamin'i Andry Rajoelina.
Ora vitsivitsy tato aoriana dia nametra-pialana ofisialy i Marc Ravalomanana ary namindra ny fahefana ho amin'ny miaramila ahitana jeneraly 4 natokisany hatramin'izay. Tsy nanaiky izany anefa Rajoelina ka nosamborin'ny miaramila izay efa mpanara-dia azy ireto jeneraly ireto, niaraka tamin'ny mpitandrina iray nanampy tamin'ny fanelanelanana. Nokapohina ity mpitandrina ity rehefa avy eo.
Asehon'ny sary mihetsika hoe ahoana ny fomba nampijalian'ireto miaramila ireto ireo jeneraly ireo ary mampahatsiahy antsika fa ahiana ny herisetra amin'ny firenena mizarazara.
Marobe ireo fety fankalazana ny fialan-dRavalomanana tamin'ny lalana maro tao Antananarivo.
Kanefa ny mpanara-dia an-dRavalomanana koa dia efa nanomana fihetsiketsehana io alarobia io hanoheran'izy ireo ity “fanonganam-panjakana” ity.

Miaramila Malagasy ao Antananarivo
[Photo credit to Foko-Madagascar on Foko-Madagascar on Flickr]
Eo amin'ity kihon-dalana ity dia tsapa fa mizarazara sady mihenjana ny tady ny amin'izay mety avoakan'ny ampitso eo amin'ireo mpitoraka bilaogy Malagasy.
Ilay mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy, Mialy Randriamampianina, no nilaza ny tahony tao amin'ny Voice of America:
Tsy fantatra izay tena marina satria hatramin'izao dia tsy manana vaovao mari-pototra isika momba ny fihetsiketsehana hatoan'ireo mpanara-dia an-dRavalomanana sy ny amin'izay mety hataony. Ary koa, mbola manahy ny hiverenan'ny korontana ataon'ny mpanara-dia an-dRavalomanana sy Andry Rajoelina izahay. Nisy fifandonana mantsy teo amin'ny 2 tonta mpifanandrina herinandro lasa izay. Noho izany dia miteraka olana foana ny fihetsiketsehana tahaka ireny ka manahy ny hisian'ny herisetra ao amin'ny firenena izahay.
Ilay mpitoraka bilaogy, Lomelle, no naneho ny fihetseham-pony tao amin'ny gazety Le Monde, na dia “faly” aza izy fa niala Ravalomanana (fr):
…on ne sait pas vraiment ce que veut faire l'opposition. Je crains le pire. Rajoelina n'a pas l'étoffe d'un président. Il est trop jeune et manque d'expérience. Je doute de sa capacité à mener le pays
Faly ny Madagate fa tsy milalao intsony Ravalomanana ary i Andry Rajoelina no filoha mitarika ny HAT (Fitondrana Avon'ny Tetezamita)(fr):
Marc Ravalomanana, le petit laitier d’Imerikasinina, a été renié par ceux à qui il venait de remettre les pleins pouvoirs. Ils n’ont pas voulu vendre leur âme au diable. Les carottes sont cuites pour ce président qui a montré son véritable visage. A force de jouer avec le feu et les idoles, on se brûle. Ce fut vraiment le combat de la lumière et des ténèbres.
Zavatra hafa mihitsy kosa ny an'i Jentilisa(mg):
Manahy dia manahy aho raha ny zavatra hita androany no ijerena ny ampitso fa dia tena faneriterena tsy misy toy izany no hihatra amin'ny tsirairay hanatanterahana ny sitrapon'ny mpitondra vaovaon'ny firenena izay lazaiko sahady fa tsy ekeko satria an-terisetra no nanaovany ny zavatra rehetra.
Tsy resy lahatra aho amin'ny hilaminan'ny politika ao Madagasikara ao anatin'ny 2 taona farafahakeliny raha mandray fitondrana ny TGV [..] Hafa ny mitolona, ary hafa ny mitondra firenena.