Tantara mikasika ny Kenyà tamin'ny Jolay, 2018
Tontolo iainana : Resaka rano ao Afrika Atsinanana
Mety hiatrika krizin-drano i Afrika Atsimo ary miady ny nosy Migingo kosa ireo firenena afrikana telo mifampizara ny farihy Victoria.
Inona no itovian'ny fanjonoana krila sy ny fitrandrahana ny hazo santal?
Miteraka voka-dratsiny maro ho an'ny ireo biby lehibe hafa ny fomba fanjonoan'i Japana krila ary miha-manjavona noho ny fitrandrahana azy diso tafahoatra ny hazo santal ao Kenya, Fehiny: samy misy fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny toetrandro avokoa ireo.
Kenya : Ny 4×4 ampiasain'ireo mpiasan'ny ONU
Mahatezitra blaogera sasany ny fampiasan'ny mpiasan'ny ONU fiara 4x4. Mizara sary mikasika izany izy ireo ao amin'ny blaoginy, ary namorona vondrona mihitsy aza tao amin'ny Flickr, "Kick The Habit" [amin'ny teny anglisy].
Fahasalamana/Maneran-tany: Nofoanan'Atoa. Obama ny politikan'ny ”Global Gag Rule”
Nofoanan' ny Filohan'i Etazonia ireo fepetra politika fantatra amin'ny ankapobeny tamin(ny anarana hoe “Global Gag Rule”(amin'ny teny anglisy).
Kenya: Bokin-tsarintany miteraka fanontaniana maro
''Miady hevitra mikasika ny PNUE ( Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Tontolo Iainana ) ireo keniàna blaogera sasany. ''
Vehivavy Afrikanina mibilaogy amin'ity herinandro ity
Tahaka ny mahazatra, nibilaogy momba ireo lohahevitra isan-karazana ny vehivavy Afrikanina tamin'ny herinandro lasa.
Fantaro ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana bilaogera Kenyana
Ny Global Voices dia nanolotra maimaim-poana ho an'ireo bilaogera enina mipetraka any Kenya ny fahafahana nanatrika ny Vovonana ho an'ny Fampitam-baovaon'olontsotra Global Voices 2012. Nifaninanana ny manoratra bilaogy 500 teny na latsaka momba ny lohahevitra hoe "Ahoana no fomba ahafahan'ny fampahalalam-baovaon'olontsotra manampy amin'ny fiarovana ny fifidianana am-pilaminana 2012-13 any Kenya".
Afrika: “Hope Raisers”, “Da Bomb”, Hip Hop Swahili & Zimfest
Tao anatin'ny 4 herinandro hatramin'ny lahatsoratro farany tato amin'ny Global Voices, be dia be ny hetsika notantarain'ireo bilaogera eo amin'ny sehatry ny mozika Afrikana. Ity sombiny kely amin'ny ampahany amin'izany hetsika izany.
Kenya : Maurine, Miaina Miaraka Amin'ny VIH no Sady Mpikatroka Ao Amin'ny Fikambanana “Repacted”

Ny Repacted , tarika mpanao tantara tsangana eny an-dalambe avy ao Nakuru, Kenya, izay mahazo fanohanana ara-bola efa hatry ny ela avy amin'ny Rising Voices, dia manohy miasa any amin'ireo vohitra manodidina miaraka amin'ny "Teatira Magnet" mba hampahafantatra, indrindra fa ireo tanora, momba ny fisorohana ireo olana ara-pahasalamana toy ny VIH/SIDA sy ny raboka.