· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Kenyà tamin'ny Aogositra, 2011

Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina

  29 Aogositra 2011

Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.

Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10

  14 Aogositra 2011

Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo "Activista" miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista, tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.

Kenya: Tokony Hanaisotra ny kaontin'i John Mwau ny Facebook

  07 Aogositra 2011

Bilaogera Kenyana Daudi Were no nametraka fanontaniana mahaliana raha toa ka afaka mampihatra ny Dina Kingpin manoloana ny Facebook  izay toa hita fa manao afera miaraka amina Kenyana,  John Harun Mwau, voatondro ho lehiben'ny mpanao aferan-drongony ao an-toerana ny governemanta Amerikana  (Jereo ny “Fanambarana an-gazetin'ny Trano Fotsy). Mandrara ny mpanao aferan-drongony vahiny malaza, ny mpifandray...