Tantara mikasika ny Kenyà tamin'ny Jolay, 2012
Kenya: Fampianarana Taranja “Toraka Lefona” Amin'ny YouTube
Julius Yego, Afrikanina Kenyana tompondaka nasionaly teo amin’ny taranja “javelot na toraka lefona”, no nandresy nandritra ny fifaninanana atletisma tao Finlady tamin’ity herinandro ity. Taorian'ny fampiasany YouTube mba hanatsarany ny...
Kenya: Mau Mau Mpiady Ho Amin'ny Fahafahana Mitondra Ny Raharaha Eny Amin'ny Fitsaràna Britanika
Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya. Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha ho fanohanana ny tolona fikatsahan-dry zareo ny rariny. Mibitsika mivantana avy any an'efitrano fitsaràna i @JeromeTaylor sy @TandemLaw.
Global Voices Podcast: Jambo Avy Any Kenya! Ilay Fivoriamben'ny Global Voices
Inona no hoavin'ny mediam-bahoaka ao anaty aterineto? Anatin'ity andiany ity (sy ny manaraka) haheno avy amin'ireo tonian-dahatsoratra, mpanoratra, mpiara-manorina sy ireo mpandray anjara hafa tamin'ny Vovonamben'ny Mediam-bahoaka Global Voices 2012 tany Nairobi ianao mikasika ny hoavin'ny fiaraha-miasanay ao anaty aterineto.
Vondrona Afrikana Malemy Ho An'ny Firenena Mikambana 53
Nikorotandrotana ny taona 2011 ho an'ny kaontinanta Afrikana tamin'ny fisian'ny revolisiona, fikasana hanongam-panjakana ary ny krizy politika mahery setra maro. Saingy nampalahelo moa fa nampiharihary ny hany fara-vitany amin'ny fiatrehany ireny toe-draharaha ireny ny vondron'ny firenena afrikana 53 izay manana ny iraka hanamafy ny fitoniana eo amin'ny faritra sy ny fampandrosoana.
Kenya : Antso Firaisankina Taorian'ny Fanapoahana Baomba
Andro vitsivitsy monja taorian'ny nanokafana ny Vovonana GV2012 tao Nairobi, nahitana fanapoahana baomba mahafaty sy fakana an-keriny tao an-tanànan'i Mombassa sy Garissa tao Kenya. Ny voalohany volana jolay, tao an-tanàndehibe kenyana ao Garissa, ny andian'olona misarontava namono olona 17 sy nandratra olona 45 tamin'ny alalan'ny fanafihana mita-piadiana sy grenady tamin'ny fiangonana anankiroa.
Kenià: Fifandonanan'ny Olombelona Sy Ny Bibidia Anaty Alan'ny Tanan-dehibe
Ny 20 Jona, ireo mponina feno hatezerana avy ao Kitengela, faritra any ivelan'i Nairobi, dia namono liona 6 nanafika ampolony tamin'ny biby fiompin-dry zareo. Nisy andianà liona nanafika toeram-ponenana kely iray teo amin'ilay faritra ny ampitson'io ka namono osy sy ondry maro. Nitety ny tontolon'ny Twitter izahay hitady ireo fanehoankevitra mahaliana nalefan'ireo Keniana mikasika ilay tranga.