· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Kenyà tamin'ny Jona, 2018

Kibera: Mampahafantatra Bebe Kokoa An'ireo Vondrom-piarahamonina Voahilikilika

Rising Voices  21 Jona 2018

Nandritra ny Fihaonambe an'ny Global Voices tany Naïrobi tamin'ny taona 2012, vondrona iray tamin'ireo mpikambana mpikarakara no tonga tany amin'ny tanàna faran'izay tsizarizary ao Kibera. Anisan'izany i Leila Nachawati ary tafahaona tamin'ireo tomponandraikitra eo an-toerana sy ireo mpandray anjara amin'ny Map Kibera trust, izay miezaka ny manentana ny tontolo ivelany amin'ireo filàn'ny mponina ao Kibera, amin'ny fampiasana ny lahatsary sy ireo media sosialy. Inty ny tatitra mikasika ny fitsidihany.

Kibera : Ireo Vehivavin'ny PowerWomen Manohitra Ny Fitsaràna Ivelany Ny SIDA

Rising Voices  15 Jona 2018

Nandritra ny fitsidihan'izy ireo tao Kibera, Nairobia, no nihaonan'ny vondrona kely iray nisy ireo mpikambana avy amin'ny Global Voices, tamina vondrom-behivavy mitondra ny tsimokaretina izay ny asan'izy ireo andavanandro dia nataony mba handresena lahatra hanoherana ny fitsaràna ivelany ny VIH/SIDA sy mba hanentanana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana eny amin'ireo mponina tena mahantra. Fitantarana nataon'i Ahmed Awadalla sy Rayna St.