Tantara mikasika ny Kenyà tamin'ny Oktobra, 2018
Kenya Sy Ny Fitsapankevibahoaka Mikasika ny Lalàm-panorenana
...ny valim-pifidianana " no tokony ho mariky ny fahefana faratampon' [ny vahoaka] hanoritana ny làlana hizoran'ny firenena’ ary na ho Eny na ho Tsia , "tokony hajain'ny roa tonta mpifanandrina" izay ho valiny eo. [...] Voafitakao indray mandeha aho, henatra ho anao . Voafitakao fanindroany aho, henatra ho ahy |...] fa zava-dehibe eo amin'ny fizorana any amin'ny demokrasia ny fifidianana,
Balancing Act ao amin'ny bilaogy Afrikanina
Manomboka amin'ny lahatsoratra momba ny bilaogy Afrikanina ny fanontana ankehitriny ao amin'ny Balancing Act - gazety antserasera malaza momba ny fifandraisan-davitra Afrikanina - ary mampiseho bilaogera maromaro mandray anjara ao amin'ny Global Voices,
Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity
Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.
Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)
Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana izay nibodo ny trano hatramin'ny volana Aprily. (Nitaky ny fialàn'ireo manampahefana rehetra notendren'ny filoha teo aloha Akayev ireo mpanao fihetsiketsehana.)
Ny Herinandron'ny blaogy Kiswahili
Manambara ireo tarehimarika ofisialy ao Tanzania sy any an-kafa fa tamin'ny 1964, nikambana mba hamorona ny Repoblika Miray an'i Tanzania i Tanganyika sy Zanzibar . Tena nisy marina ve izany? Aiza no misy ny antotankevitra niandohana ho an'ireo Toko sy andininy momba ilay Firaisana? Manontany i Mwandani.
Fiparitahan'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana
Raha tsy nandray anjara tamin'ny fandrobana sy ny kolikoly goavana ianao, dia miezaha mampiseho porofo amin'ny vokatr'izany. Raha tsy manana porofo ianao, dia lazao izany ary lazao fa tsy manan-tsiny ianao. Milaza ny lalàna fa tsy manan-tsiny ianao mandrapanaporofoana fa meloka.
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.
Inona No Mitranga Ao Amin'ny Tontolombolongana Afrikana
Ho hitanao amin'ny famakiana an'ity lahatsoratra ity ny sombintsombiny vitsivitsy tamin'izay nitranga tao amin'ny tontolombolongana Afrikana.
Ny Tontolon'ny Bilaogy Kenyana Amin'ity Herinandro Ity
Manana fandalinana mahaliana mikasika ny zava-mitranga ao Amerika i Sidaki ary manao tsoakevitra fa anisan'ireo zavatra mampisalasala ny Amerikanina ny andraisana azy eo amin'ny taniny i Christopher Murungaru, izay vao volana vitsy monja ihany koa izay no nampahafantarin'ny fanjakana Britanika fa tsy tiany handoto ny varavarany.
Blaogera Etiopiana manome voninahitra ilay mpitatitra an-gazety tao amin'ilay fiaramanidina nianjera
Nofenoin'ireo blaogera Etiopiana fanomezam-boninahitra ho an'i Anthony Mitchell, ilay mpitatitra an-gazety tao amin'ny Associated Press, iray tamin'ireo olona 114 maty rehefa nianjera tao Kamerona atsimo ny fiaramanidina KQ50-n'ny Kenyan Airways ny Sabotsy 5 Mey 2007 vao maraina be