Tantara mikasika ny Jordania tamin'ny Marsa, 2019
Jordania: Manasazy filohan'ny klioba baolina kitra mpanakiana
Nipoitra ny tolakandron'ny tolakandron'ny 23 Desambra ny tatitra fa voampanga ho nanafika sy nanevateva ny manamboninahitra zandary iray i Tareq Sami Khoury ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina.
Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana
Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.
Misioka momba ny fampielezan-kevi-pifidianana ny Jordaniana
Afaka mandefa fitaovana fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana amin'ny 9 novambra ankehitriny ireo kandidà parlemantera Jordaniana. Mameno ny arabe lehibe ankehitriny ireo afisy, ary iandian-kevitra be eo amin'ireo mpisera Twitter Jordaniana ny lohahevitra momba ireo fitaovana fampielezan-kevitra ireo. Saika miombon-kevitra avokoa, satria maneho fahasorenana amin'ireo afisy ny ankamaroan'ny sioka.
Jordania: Fanehoan-kevitra amin'ny fananganana governemanta vaovao
Taorian'ny fifidianana parlemantera tamin'ny 9 Novambra tao Jordania, nankatoavin'i Mpanjaka Abdulla ny governemanta vaovaon'ny praiminitra Samir Rifai tamin'ny Alarobia 24 Novambra. Feno fanehoan-kevitra ny Twitter, izay maro no nankasitraka ny fanendrena.
Jordania: Mpanao sariitatra politika mamazivazy ireo afisim-pifidianana
Manohy mifantoka amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny 9 Novambra ny lahatsoratr'ireo mpanoratra Jordaniana ao amin'ny media sosialy, ka mitodika amin'ireo afisim-pifidianana manerana ny firenena, ary indrindra indrindra ao an-drenivohitra Amman. Mpisera Twitter iray, Mayousef, namazivazy ny 25 Oktobra,
Jordania: “Mampody an'i Raad” avy any Syria
Natsangana amin'ny aterineto ny hetsika hanerena ny manampahefana Syriana hamotsotra ilay Jordaniana Raad Kawar, izay nogadraina nanomboka ny 19 Aprily.
Jordania: Miady hevitra momba ny mety ho Fivorian'ny Vaomieran'ny Fiaraha-Miasa ao amin'ny Helodrano
Niteraka fanehoan-kevitra marobe ny fanambarana fa mety hanatevin-daharana ireo mpikambana enina ao amin'ny Filankevitry ny Fiarahamiasan'ny Helodrano (Gulf Cooperation Council -GCC) na (GCC) i Jordania sy i Maraoka.