(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2010)
Taorian'ny fifidianana parlemantera tamin'ny 9 Novambra tao Jordania, nankatoavin'i Mpanjaka Abdulla ny governemanta vaovaon'ny praiminitra Samir Rifai tamin'ny Alarobia 24 Novambra. Feno fanehoan-kevitra ny Twitter, izay maro no nankasitraka ny fanendrena.
On behalf of the ICT [information and communications technology] industry and companies congratulations to @ICTMinJO H.E. Marwan on the appointment & best of luck and support#ICT #JO
Amin'ny anaran'ny orinasa sy ny indostrian'ny TIC (Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana), arahabaina i @ICTMinJO H.E. Marwan, mirary soa, manohana anao izahay
Congratulations to HE PM @SamirAlRifai and HE @nasserjudehand HE @ICTMinJO and HE @WalidMaani . wish you all best of luck#JO #Cabinet
Arahabaina ny Praiminisitra HE @SamirAlRifai sy HE @nasserjudehand HE @ICTMinJO and HE @WalidMaani . Mirary soa tanteraka #JO #Cabinet
Congrats to Nesreen Barakat – new Minister of Public Sector Development. I feel positive knowing a brilliant mind like her is in govt. #Jo
Arahabaina i Nesreen Barakat – minisitry ny Fampandrosoana ny seha-panjakana vaovao. Mahatsapa be fanantenana aho mahafantatra fa ao anatin'ny governemanta ny saina mamiratra tahaka azy.
Ny hafa tahaka an'i Farrah Mufleh kosa tsy dia faly loatra:
new “mini”sters list.. looking like an apple and actually being an apple are 2 different things. #JO
Lisitra vaovao misy ireo “mini”-sitra…tahaka ny paoma ary zavatra 2 hafa ny maha-paoma ankehitriny
Maro ireo nanontany momba ireo fanendrena manokana, anisan'izany ny fanendrena an'i Sa'ad Hayel Al Srour ho minisitry ny atitany rehefa tsy lany tamin'ny fifidianana tao amin'ny Antenimiera. Naseem Al Tarawnah nilaza hoe:
Srour lost in the #JOelections after spending amazing amounts, but thats ok, they made him Minister of Interiorhttp://is.gd/hKjOc #JO
Resy tamin'ny fifidianana #JOelections i Srour rehefa avy nandany vola be, saingy tsy misy olana, fa notendren'izy ireo ho minisitry ny atitany izy
Farah Madadha niombon-kevitra:
How things go around #JO:A man fails in the #Parliamentary #Elections, so he's appointed #Minister. The #gov must believe in his potentials
Ahoana ny fandehan-javatra #JO: Lehilahy tsy lany tamin'ny fifidianana parlemantera, voatendry ho minisitra, tsy maintsy matoky ny mety ho fahaiza-manaony ny governemanta
Nanontany fanendrena hafa izy, dia ny minisitry ny fahasalamana teo aloha, Zeid Goussous, voatendry ho minisitry ny fizahan-tany sy ny vakoka:
OK I really can't help but ask @PrimeMinistry how in the world does a #HealthMinister become a #Ministerof #Tourism?!?!?!
OK! tsy vitako ny tsy manontany hoe praiministra iza eto an-tany no manendry minisitry ny fahasalamana teo aloha ho lasa minisitry ny fizahan-tany
Nadine Toukan nandefa sioka maromaro manohitra fanovana hafa. Minisiteran'ny Fampandrosoana ara-tsosialy nampifanarahana ho Minisiteran'ny Fampandrosoana ara-tsosialy sy ny Raharaham-behivavy. Said Toukan:
Min of Social Dev & Women Affairs is regressive place for women issues! How sad. #Jo @SamirAlRifai
Minisiteran'ny Fampandrosoana ara-tsosialy sy ny Raharaham-behivavy, toerana ho olan'ny vehivavy! Mampalahelo
Toukan nampifandray ny bilaoginy, nanoratra hoe:
In an effort to place women's issues on the government agenda and confidently claim it, the recent cabinet change includes a tag to the Ministry of Social Development, evolving it to Social Development & Women's Affairs….A sorry regression. Feeds into the problem. Insults half the population directly and insults the other half indirectly. Grows dependency on a quota mentality, everywhere. Lends to further gender stereotyping…
How can anyone justify that the wide range of topics that women's affairs may encompass belong in a corner inside the Ministry of Social Development? Does this mean that men's affairs do not belong within this ministry? Or is the role of women shadowed within social development only? Are there no men's affairs we ought to be concerned about? What is the definition of women's affairs anyway? Are women's affairs not society's affairs?
…We need to rewire our entire system within every building, street, hallway, book and screen towards a healthy reality of gender cohesion. We cannot do so with sexist, gender biased banners and after thoughts that label half a population and concern the entire.
Ao anatin'ny ezaka hametrahana ny olan'ny vehivavy ao anatin'ny fandaharanasan'ny governemanta sy milaza izany am-pitokisana, ny fanovana kabinetra (minisitra) vao haingana mampiditra marika ho an'ny Minisiteran'ny Fampandrosoana ara-tsosialy, izay lasa Fampandrosoana ara-tsosialy sy raharaham-behivavy. Fihemorana mampalahelo. Mamelona ny olana. Manevateva mivantana ny antsasaky ny mponina ary manevateva tsy mivantana ny atsasany hafa. Fitomboan'ny fiankinan-doha amin'ny toe-tsaina “quota”, na aiza na aiza. Vonona amin'ny fanamafisana ny fitsarana an-tendrony momba ny vehivavy …
Ahoana no ahafahan'ny olona manamarina fa ny lohahevitra maro samihafa momba ny raharaham-behivavy dia azo ampidirina ao amin'ny zoron'ny Ministeran'ny fampandrosoana ara-tsosialy? Midika ve izany fa tsy tafiditra ao anatin'ity minisitera ity ny raharaha momba ny lehilahy? Sa ve takonana ao anatin'ny fampandrosoana ara-tsosialy ihany ny anjara andraikitry ny vehivavy? Tsy misy ve ny raharahan-dehilahy tokony hojerentsika? Inona no famaritana ny raharaham-behivavy? Tsy raharaham-piarahamonina ve ny raharaham-behivavy?
… Mila mandrindra ny rafitra manontolo ao anatin'ny tranobe, arabe, lalantsara, boky sy efijery tsirairay avy isika mba hananganana zava-misy salama eo amin'ny fifandraisan'ny lahy sy vavy. Tsy afaka manao izany amin'ny afisy manambany vehivavy sy manavakavaka ny vehivavy isika izay mamaritra ny antsasaky ny mponina sy mahakasika ny rehetra.