Jordania: “Mampody an'i Raad” avy any Syria

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2011)

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana Syria 2011 ity lahatsoratra ity

Natsangana amin'ny aterineto ny hetsika hanerena ny manampahefana Syriana hamotsotra ilay Jordaniana Raad Kawar, izay nogadraina nanomboka ny 19 Aprily. Nosamborina ity lehilahy 26 taona ity raha tao Syria ary nody nandeha fiara ho any Fuheis, ao Jordania, toeram-ponenany, taorian'ny vakansy tany Beirota.

Hoy ny tranonkala tantanin'ny fianakaviany sy ny namany hoe:

Raad Kawar is a warm and loving 26 year-old Jordanian citizen. He went to Lebanon to visit some friends for a day and come back home. On Tuesday 19th of April at 1 a.m. that night, Raad sent a friend of his a text message saying that he is on the highway and on his way back from the Damascus borders, and should be arriving in a couple of hours. But that was the last his family or friends heard from him.

Olom-pirenena Jordaniana 26 taona be fitiavana sy be mpitia i Raad Kawar. Nankany Libanona izy mba hitsidika ireo namana sasantsasany nandritra ny iray andro ary nody avy eo. Ny Talata 19 aprily tamin'ny 1 alina, nandefa hafatra tany amin'ny namany i Raad, nilaza fa eny an-dalana hody miala ny sisintanin'i Damaskosy izy, ary tokony ho tonga afaka adiny roa. Saingy izay no farany nandrenesan'ny fianakaviany na ny namany azy.

Nilaza koa ilay tranonkala fa tsy nandray anjara ara-politika mihitsy i Kawar. Niseho tao amin'ny Al-Jazeera tamin'ny 1 May “Live Feed for Syria” (9:40 hariva) ny raharaha Kawar, .

Raad Kawar

Raad Kawar

Ao amin'ny tranonkala bringraadhome.com, nanoratra taratasy ho an'i Syria i Alameer Kawar, rahalahin'i Raad, nilaza hoe:

Dear Syria: Today is the 9th day that you’re holding my brother captive on your soil. I believe that is more than enough time for holding an innocent Jordanian citizen…We’re hoping and praying for today to be the day, the day we celebrate our brother’s return, the brother for so many and the friend for many more.

I <3 you Raad Kawar

Ry Syria malala: Androany no andro faha-9 izay itazonanao ny rahalahiko ho babo eo amin'ny taninao. Mino aho fa mihoatra ny fotoana ampy ny fitazonana olom-pirenena Jordaniana tsy manan-tsiny … Manantena sy mivavaka izahay androany mba ho andro, hankalazanay ny fiverenan'ny rahalahinay, rahalahy ho an'ny maro ary namana ho an'ny maro hafa.

Tiako ianao Raad Kawar

Ny hafa nisioka lahatsary nataon'i Raad ary navoaka tao amin'ny Youtube, mandrisika ny hafa hijoro vavolombelona amin'ny maha-izy azy:

Nanangana hetsika Facebook ireo namana izay ahitana vavaka ho an'ny fiverenany:

Raad Kawar is God's child. He will resist the devil. No weapon formed against him shall prosper.

Zanak'Andriamanitra i Raad Kawar. Hanohitra ny devoly izy. Tsy misy fitaovam-piadiana hiroborobo hanohitra azy

Ny hafa kosa nifanakalo soso-kevitra amin'ny hetsika hanampiana an'i Raad tamin'ny vondrona Facebook iray hafa. Ny hafa nizara tantara mahafinaritra tao amin'ny raadkawar.com tamin'ny fotoana niarahana tamin'i Raad. Luma Spin nanoratra hoe:

Raad was my first boss, although you couldn't really call him boss, he was more of a friend right from the start. One day while in a meeting with him, he suddenly got up on his desk and started dancing, and that's when I knew, this would be the best job ever

Raad no mpampiasa ahy voalohany, na dia tena tsy afaka miantso azy hoe mpampiasa aza ianao, dia mihoatra noho ny namany izy nanomboka tany am-boalohany. Indray andro nandritra ny fivoriana niaraka taminy, nitsangana tampoka tambonin'ny biraony izy ary nanomboka nandihy, ary tamin'izany no nahafantarako fa ity no asa tsara indrindra hatramin'izay.

Ny hafa kosa naneho fanantenana ny amin'ny fiverenany haingana. Salem al-Beiruiti nisioka hoe:

#RaadKawar, Hang in there & don't let go of ur smile! I've never seen u BUT smiling, keep doing so! we're going 2 #BringRaadBack soon! 🙂

#RaadKawar, mijoroa ary aza ariana ny tsikinao! Mbola tsy nahita anao aho SAINGY mitsikia, tohizo izany! hampodianay tsy ho ela ianao #BringRaadBack! 🙂

Wissam Chidiak nanoratra hoe:

#BringRaadHome, precious, I know you're holding strong, I hear your words. We'll get you back free very soon.

#BringRaadHome, sarobidy, fantatro fa matanjaka ianao, reko ny teninao. Hahita anao ho afaka tsy ho ela izahay.

Ny sasany, tahaka an'i Omar Biltaji kosa te-hahafantatra hoe mandra-pahoviana alohan'ny hiverenan'i Raad any Jordania sy any amin'ny fianakaviany:

Can we understand the timeline in which Raad Kawar will be released and reunited with his family? #BringRaadHome #JO “Please ReTweet”

Azonay takarina ve ny fotoana hamotsorana an'i Raad Kawar sy hiverenany indray eo anivon'ny fianakaviany? #BringRaadHome #JO “Aparitaho azafady”

Ny hafa kosa mangataka vaovao farany avy amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny sy ny minisitrany, Nasser Judeh. Nanoratra i Aseel al-Otaibi  hoe:

@ForeignMinistry any news about #raad, isn't it time to #BringRaadHome !! 14 days are more than enough .. please update us

@ForeignMinistry, manam-baovao momba an'i #raad ve, tsy fotoana tokony hampodiana azy ve izao #BringRaadHome !! ampy ny 14 andro .. valio azafady

Namaly tamin'ny kaontiny Twitter ny minisitry ny raharaham-bahiny, Judeh:

Efforts being exerted at all levels. Not tweeting about it doesnt mean we are ALL not trying and concerned. Please. #BringRaadHome

Natao isan'ambaratonga ny ezaka. Ny tsy fandefasana sioka momba izany dia tsy midika fa tsy miezaka izahay na tsy miahy.

Araho ny tenirohy #BringRaadHome ao amin'ny Twitter raha hijery vaovao farany momba an'i Kawar.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.