Jordania: Miady hevitra momba ny mety ho Fivorian'ny Vaomieran'ny Fiaraha-Miasa ao amin'ny Helodrano

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2011)

Niteraka fanehoan-kevitra marobe ny fanambarana fa mety hanatevin-daharana ireo mpikambana enina ao amin'ny  Filankevitry ny Fiarahamiasa ao amin'ny Helodrano (Gulf Cooperation Council -GCC) na (GCC) i Jordania sy i Maraoka.

Natsangana tamin'ny taona 1981 tany Arabia Saodita, Qatar, Emirà Arabo Mitambatra, Bahrain, Oman ary Koety ny GCC mba hampiroborobo ny fampiatiana ara-toe-karena sy ny fandridrana ara-piarovana eo amin'ireo firenena ao amin'ny helodrano. Naneho hevitra falifaly ireo tsenam-bola manerana ny GCC manoloana ny vaovao fihitaran'ny GCC .

Raha manohitra ny mety ho fampidirana an'i Jordania sy i Maraoka ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny olom-pirenena ao amin'ny firenena GCC, dia maro kosa ireo Jordaniana faly tamin'ny vaovao. Ghada al-Kurd namariparitra ny mety ho tombontsoa ara-toekarena:

Flags of the original Gulf Cooperation Council GCC members. Image by Flickr user abcdz2000 (CC BY-NC-SA 2.0).

Sainam-pirenen'ireo mpikambana ao amin'ny GCC. Sary avy amin'ny mpisera Flickr abcdz2000 (CC BY-NC-SA 2.0).

@Shusmo Supply #JO & demand #GCC, market penetration &reach, emplymnt, venture invstmnts #Amman #JO, better Economy part of #ReformJO

Famatsiana @Shusmo #JO & fangatahana #GCC, fidiran'ny tsena &reach, asa, fampiasam-bola #Amman #JO, tsaratsara kokoa amin'ny #ReformJO

Amar Majali, taorian'ny andianà vazivazy, namintina toy izao:

Joking aside, this could be really good economically. No taxation is the GCC way. Jordanians can do with no taxation. #JOGCC

Ankoatra ny vazivazy, dia mety ho tsara ara-toekarena izany. Tsy misy hetra no lalan'ny GCC. Afaka manao zavatra tsy misy hetra ny Jordaniana. #JOGCC

Tsy ny rehetra no resy lahatra tanteraka. 7iber.com, tranonkala fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy, nanontany ireo mpamaky azy mba hamoaka ny eritreritr'izy ireo mikasika ny hevitra. Raha namaly ireo naneho hevitra momba ny tombontsoa ara-toekarena ho an'i Jordania, nanoratra i Mahmood hoe:

umm seriously ! so you dont think this move is just a stunt by KSA to balance the scale and set egypt back ! KSA hates the idea that EGYPT is back as the leader of arabs !

bottom line they the GCC is shopping for voting power and we happened to be the cheapest on the market as usual !

mmh raha ny marina! tsy heverinao ve fa hafetsen'i Arabia Saodita io fanapahan-kevitra io mba hampifandanjana ny mizana ary hametrahana an'i Ejypta any aoriana! Tsy tian'i Arabia Saodita ny hevitra hoe miverina i EJYPTA amin'ny maha mpitarika arabo azy!

Miantsena hahazo fahefana amin'ny latsa-bato ry GCC ary hita fa isika, araka ny mahazatra, no mora indrindra hita eny an-tsena

Mohammed Husa nanoratra hoe [ar]:

من ناحية استراتيجية وعمق استراتيجي دول الخليج هي المستفيد الاكبر لمواجهة النحدي الايراني ولاعادة صياغة محور الاعتدال بعد الاهتزازات الكبرى وخصوصا في مصر

2-من ناحية اقتصادية انا متأكد انه ستكون هناك تحفظات وشروط تعجيزية من ناحية حرية الحركة للاردنيين كما هو الحال مع موضوع تركيا للدخول للاتحاد الاوروبي

Raha ny tetikady sy ny halalina ara-stratejika, ny firenena helo-drano no mahazo tombony lehibe indrindra manoloana ny fandrahonana Iraniana sy ny fanamafisana ireo tony fihetsika taorian'ny fankalazana lehibe, indrindra tany Ejipta.

Faharoa, amin'ny lafiny ara-toekarena, azoko antoka fa hisy ny famandrihana sy ny fepetra henjana momba ny fahalalahan'ny hetsika ho an'ny Jordaniana, toy ny olana momba ny fidiran'i Torkia tao amin'ny Vondrona Eoropeana.

Rasha Khalifeh nisioka tamim-panesoana [ar]:

انتهت مشكلة اردني فلسطيني صرنا كلنا خليجي #GCC #JOGCC

Tapitra ny olan'ny Jordaniana-Palestiniana-  Gulfi avoka isika rehetra.

Lina Ejeilat nanoratra tamim-pivazivaziana:

who needs good governance, democracy, and human rights when you can have oil money? Woohoo! #JOGCC

Mila fintantanana tsara, demaokrasia, sy zon'olombelona isika rehefa afaka manana volan'ny solika? Woohoo! #JOGCC

Ny sasany kosa tsy tapa-kevitra. Mpaka sary EHamdallah naneho hevitra momba ny filàny hahafantatra bebe kokoa ny toe-draharaha:

I need to know more about this whole #JO joining #GCC thing! I am not getting it! #ReformJO #JoGCC #GCCJo

Mila mahafantatra bebe kokoa momba ity Jordaniana hiditra GCC ity aho! Tsy naharaka aho

Hanan Abu-Shamat nibedy tamim-pivazivaziana ireo izay nilaza fa tsy hitondra tombontsoa ho an'ny GCC ny fidiran'i Jordania:

Now a country of the #GCC has snow in winter! This is something and you say #Jordan adds no value! Tsk tsk tsk! Hehe. #JOGCC #GCCJO

Manana oram-panala amin'ny ririnina ankehitriny ny firenen'ny GCC! Efa izy izany kanefa milaza ianao fa tsy misy lanjany ny fidiran'i Jordana!

Maha Mousa tsy tapa-kevitra hatrany tao amin'ny lahatsorany tao amin'ny 7iber:

It is still up in the air and there is still a lot of work that needs to be done… by the way for those who were asking why the Jordanians were not consulted: I believe that the GCC people should have been consulted of what they think about this issue… don't you think so??

Mbola eny amin'ny rivotra izany ary mbola misy ireo asa marobe mila atao…..na izany aza, ho an'ireo izay nangataka ny antony tsy nakàna ny hevitry ny Jordaniana: Mino aho fa tokony nalaina ny hevitry ny olona ao amin'ny GCC mikasika ny eritreritr'izy ireo momba ity raharaha ity……sa ahoana hoy ianao??

Raha te-hijery fanehoan-kevitra maro kokoa momba ny mety ho fidiran'i Jordania ao amin'ny GCC, araho ny tenirohy #JoGCC ao amin'ny Twitter, ary vakio ny fanehoan-kevitra ao amin’ ny  7iber.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.