· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Jordania tamin'ny Febroary, 2011

Jordan: Voavaly ny fangatahana hamaly an'i Libia

  25 Febroary 2011

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomian'i Libia 2011 ity lahatsoratra ity. Nandritra ireo Fihetsiketsehina marobe niseho tany Tonizia ary avy eo tany Ejipta, nanao fihetsiketsehina tamim-pirahalahiana ireo Jordaniana, ary namoaka bilaogy maro sy tweet tsy voaisa intsony momba ireo hetsika ireo. Tsy niavaka tamin'ny modely ny fikomiana tany Libia; Namerina...

Jordanie: Nolavin'ny Islamista ny fanolorana toerana ho azy ireo ao amin'ny governemanta

  21 Febroary 2011

Neken'ny mpanjaka Abdullah II any Jordanie ny fametraham-pialan'ny praiministra Samir Rifai ary notendrena hisolo azy i Maarouf Bakhit, olona mendrika ao amin'ny tafika. Na dia nangataka ny fialan'Andriamatoa Rifai aza ny islamista, dia nolaviny ankitsirano fotsiny izao koa ny fanendrena nataon'ny mpanjaka, nolazainy fa tsy hahavita hanavao ny politika any an-toerana...

Jordania: Miady amin'ny tetikasa fanapahana hazo ny media sosialy

  12 Febroary 2011

Nanao filazana ny Governemanta Jordaniana mikasika ny fanamboarana sekoly ambonin'ny miaramila ao anatin'ny alan'ny Ajloun, iray amin'ireo faritra Jordaniana vitsy misy ala. Mila ny fanapahana hazo 2200 ity tetikasa ity, ao anatin'izany ireo karazana hazo efa miha-manjavona sy ireo hazo eritreretina ho efa 500 taona. Miaraka amin'izany, Maro ireo fikambanana efa mijoro sy vao natsangana mba hanakana ity tetikasa ity - izay matetika dia miasa amin'ny alalan'ny mediam-bahoaka mba hahenoana ny feony sy hanetsika ny fanohanana eo an-toerana.