Jordania: Manasazy filohan'ny klioba baolina kitra mpanakiana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana desambra 2010)

Nipoitra ny tolakandron'ny 23 Desambra ny tatitra fa voampanga ho nanafika sy nanevateva manamboninahitra zandary iray i Tareq Sami Khoury ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina. Tsy tafiditra tamin'ny fifidianana parlemantera tamin'ny 9 Novambra teo i Khoury, mpikambana ao amin'ny parlemanta teo aloha. Na izany aza, niverina an-tsehatra izy herinandro vitsivitsy monja taorian'izay amin'ny maha- filohan'ny fikambanana baolina kitra Wihdat azy.  Nanakiana mpitandro ny filaminana i Khoury, nilaza fa nanao herisetra tamin'ireo mpankafy ny klioba Wihdat izy ireo.

Notsaraina i Khoury ary nosaziana tamin'ny fitsarana tsy natrehiny raha mbola tany Katar ny tenany, feno sioka mampifandray ny vaovao avy hatrany ny Twitter:

Report: Tarek Khoury sentenced to 2 years in prison for insulting gendarmerie officer http://bit.ly/eklrpK #Amman #JO

Tatitra: Nohelohina higadra 2 taona an-tranomaizina i Tarek Khoury noho ny faniratsirana manamboninahitra zandary

Ao amin'ny The Black Iris, ny valinteny voalohany nataon'i Naseem Tarawnah dia ny mampifandray ny fisamborana tamin'ny hetsika baolina kitra:

It may go without saying, that in the past few weeks, since the one tragic football managed to reignite tensions between two major Jordanian camps – that things have been just a bit tense when it comes to the identity issue…Today, things just got worse.

This – this is terrible timing…Just like people assume without a doubt that the events that occurred in the recent match were racially motivated, they will assume without a doubt that Khoury’s court case is politically motivated. And if there were indeed any coordinated efforts to nudge this case along in an attempt to silence Khoury, the state has just managed to turn the guy in to a hero and solidify his base, if not gain him other supporters.

Mety tsy nolazaina fa tao anatin'ny herinandro vitsy lasa izay, raha noezahana hampisy disadisa indray teo amin'ireo vondrona jordaniana roa roa lehibe mifandrafy ny voina tamin'ny baolina kitra – fa lasa mihahenjana ny toe-draharaha raha vao miresaka mari-panondroana…Vao maika miharatsy ny zava-drehetra androany.
Andro ratsy … Tahaka ny fiheveran'ny olona tsy misy fisalasalana fa noho ny antony ara-poko ny zava-nitranga nandritra ny lalao vao haingana, mihevitra tsy misy fisalasalana izy ireo fa misy ambadika politika ny raharaham-pitsarana Khoury. Ary raha misy ezaka narindra hampivoatra ity raharaha ity miaraka amin'ny ezaka hampangina an'i Khoury, dia nahavita namadika ity lehilahy ity ho mahery fo ny fanjakana no sady nanamafy ny fototaa ijoroany, ankoatra ny hoe nahazoany mpanohana hafa.

Mpisera Twitter A7lamShams nisalasala tamin'ny fanadihadihan'i Tarawnah:

@tarawnah wat does this have to do w/ #JO identity? case has been in court 4 a yr! Tarek khoury needs to take responsibly 4 his actions.

@tarawnah inona no idiran'izany amin'ny mari-panondroana Jordaniana? efa efa-taona izay no tao amin'ny fitsarana ny raharaha! Mila mandray andraikitra noho ny zavatra nataony i Tarek khoury.

Izay novalian'i Tarawnah hoe:

@A7lamShams well the timing of the verdict falls in to the pot of an event that has generated the identity debate. this is the point.

@ A7lamShams eny, tafalatsaka tao anatin'ny hetsika izay niteraka adihevitra momba ny mari-panondroana ny fotoanan'ny didim-pitsarana. Izay no ifotorany.

Nanamarika ihany koa i Tarawnah fa manjavozavo ny vaovao momba ny hoe oviana no nitranga ny fanafihana manamboninahitra voalaza fa nataon'i Khoury. Tatitra samihafa no nivoaka roa taona lasa sy tamin'ny Martsa 2010. Mbola tsy navoaka ho an'ny daholobe ny didim-pitsarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.