Tantara mikasika ny Jordania tamin'ny Janoary, 2019
Hanivana aterineto i Jordania
Nanitatra ny lalàna mifehy ny fanontana printy sy ny famoahana ho ampiharina amin'ny haino aman-jery elektronika ny Fitsarana Ambaratonga Ambony, izay midika fa hanivana tranonkala sy bilaogy izy.
Jordania: Mety ampiditra anao am-ponja ny mandefa mailaka sy manoratra tononkalo an-tserasera!
Araka ny gazety Jordaniana Al-Ghad, Jordaniana iray hafa no voasazy 18 volana an-tranomaizina noho ny nanoratany sy namoahany tononkalo tao amin'ny tranokalan'i Jihadi izay nidera ny mpitarika Al Qaeda Osama Ben Laden. Nosamborina tamin'ny 9 Aogositra 2007 i Mohammed Al-Zohairi, izay nolazaina ho "Poetan'i Al Qaeda ".
Marobe ny fiarahabana ny mpanjakavavy Rania noho izy nahazo ny Loka “Visionary” Youtube
Miondrika manaja ny Mpanjakavavin'i Jordania, Rania, sy ny hetsika fanentanany ao amin'ny YouTube, ireo bilaogera avy any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, taorian'ny nahazoany ny loka tamin'ny Loka Visionary YouTube noho ny fananganana fantsom-pifandraisana an-tserasera hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso mikasika ny Arabo sy silamo.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...