Tantara mikasika ny Jordania tamin'ny Jolay, 2010
Fanivànana tranonkala any Afovoany Atsinanana ampiasàna ny Bing, loha-milina mpikaroka an'ny Microsoft
Ny fikarohana natao tany ampiandohan’ity taona ity dia nandalinana ny fivelatry ny sivana aterineto any amin’ny firenena Arabo ary ampiasàna ny loha-milina mpikaroka, Bing an’ny Microsoft hijerena ireo lohahevitra mirona amin’ny firaisana ara-nofo
Jordania: Naningotra ny fotoana nampanonofy antsika ve ny teknolojia?
Mitàna andraikitra lehibe eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny solosaina sy ny teknolojia. Mahatsiarotsiaro ny raomantisma eo am-pandraisana taratasy amin'ny alalan'ny mailaka ny mpitoraka blaogy iray avy any Jordana ary hoy izy ao anaty blaoginy: "Mankahala ny elektraonika aho."
Jordania: Mpianatra Jordaniana iray voaheloka higadra an-tranomaizina roa taona noho ny IM
Araka ny voalazan'ny Next Web – Middle East, manonona ny vohikala Ammannet, dia voasambotra ny mpianatra Jordaniana iray miofana momba ny solosaina, mitondra ny anarana hoe Imad Al-Ash, nanomboka ny volana Febroary 2010, ary nosazian'ny fitsarana mpiaro ny fiandrianam-pirenena ny 13 Jolay 2010 teo ho tazonina an-tranomaizina mandritry ny roa...
Jordania: Vita avy any Israely
Ny fahitana ireo entana vita avy any Israely dia mbola miteraka hatairana manerana ireo firenena Arabo. Osama Al Romoh avy any Jordania dia mampiseho ny hatairany (Ar) rehefa nahalala fa manome akanjo famoahana voafono kitapo vita avy any Israely an'ireo mpianany ny Anjerimanotolo lehibe iray.