· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Avrily, 2018

Kazakhstan: Ny zavakanto maoderina

  19 Avrily 2018

Mpanakanto Amerikanina izay nandalo vonjimaika tany Almaty, Kazakhstan i Daniel Gulegos ary mamahana bilaogy ao amin'ny Travelpod izy. Raha tao Kazakhstan i Daniel dia namantatra ny zavakanto maoderina Kazakh, ary nihaona sy niara-niasa tamin'ireo mpanakanto tao an-toerana.

Kazakhstan: Mihatanora sy Mihamanjombona Ireo Avara-pianarana

  18 Avrily 2018

Tsy dia vokatry ny adihevitra ara-pôlitika misokatra loatra ny famadibadihana ireo avara-pianarana sy ireo manampahefana ambony ao Kazakhstan. Manome tany lonaka ahafahan'ireo mpitsikera sy mpandinika mandalina ny antony ambadiky ny famadihana izato na izatsy ireo fialàna sy fametrahan'olona tsimoramora. Kanefa, misy hevitra iraisana: mihatanora hatrany ireo avara-pianarana.

Azerbaijan: Nampiahiahy ny Fialan'ny IRI

  18 Avrily 2018

Toa tsy nanapaka ny tetibolany ho an'ny fandaharan'asan'ny demaokrasia i Etazonia (na USAID raha ny marina kokoa, sampana ao amin'ny Departemantam-panjakana izay manaramaso tetikasam-pandrosoana), fa kosa nanokana izany rehetra izany ho an'ny Ivontoeram-pirenena Demaokratika

Kazakhstan: Mitolona amin'ny Fiainana sa Miadana?

  16 Avrily 2018

Tsy fanitaran-dresaka ny flazàna fa firenen’ny fifanoherana i Kazakhstan: ny fahantrana fahadiranovana eo anilan’ny harena voajanahary tsy hita pesipesenina, ny fitomboana ara-toekarena miaraka amin'ny fitotongananan'ny sehatra ara-piarahamonina sy ny fihitaran'ny fahefam-panjakana, ary ny fandeferana mifanila amin’ny fanavakavahana.

Siria: Fisaonana Ireo Tantsambo Nafoiny

Tamin'ity herinandron'ny 16/11/07 ity, voasasan'ny loko maintin'ny fisaonana ny sisintany Siriana, taorian'ireo vaovao mampihetsi-po mikasika ny sambo Siriana "Haj Ismail" [mitondra saina Zeorziana, saingy an'ny ekipa Siriana sy nampiasainy manontolo] niharan'ny rivodoza mahery vaika izay nikapoka ny Ranomasina Mainty tamin'ny herinandro faharoa tamin'ny Novambra 2007, nahitana sambo sivy hafa ihany koa Mitondra ny monomonona farany ho antsika avy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy siriana i Yazan Badran