Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Avrily, 2015
Nanatontosa Fihaonambe Iraisampirenena Momba Ny Fandringanana Armeniana i Yerevan
Nanatrika valandresaka miompana amin'ny fahazato taonan'ny Fandringanana Armeniana izay notontosaina tao Yerevan tamin'ny 22 avrily ny Global Voices.
Olona An-tapitrisany Manerantany No Mahatsiaro ny Vonomoka ny Armeniana
Armeniana sy mpanohana an-tapitrisany manerantany no nahatsiaro ny Fahazato taonan'ny Fandripahana ny Armeniana.
Jereo ny Lahatsary ‘100 Taona’ Fahatsiarovana ny Fahazato Taona ny Nandripahana ny Armeniana Notontosain'i Serj Tankian
Namokatra lahatsary fahatsiarovana maloka ny fandripahana ny Armeniana, ny Grika ary ny Asyriana tamin'ny taonjato faharoapolo i Serj Tankian.
Misy Teny Iray Banga Tamin'ny Tantaran'ny Fandripahana Armeniana: Ny Rariny
Dimy tamin'ireo firenena Amerikana Latina ihany no nankato ny fisian'ny famonoana ny Armeniana, anisan'izany i Arzantina, mitantara ny tantaran'ny ray aman-drenibeny ny mpanoratra gazety iray.
Tsarovana Ao Ejypta Ny Fahazato Taonan'ny Fandripahana ny Armeniana
Na dia tsy mankato ny fisian'ny Fandripahana ny Armeniana aza i Ejypta, nankalaza ny fahazato taonan'ny fandripahana tao Cairo ireo Armeniana Ejyptiana.
Diso Ve Ireo Turkmen Mpanohitra Namoaka Fihetsika Voarara Tao Amin'ny YouTube?
Ao Turkmenistan, firenena mandala ny nentim-paharazana sy tia manao famoretana goavana, sokajiana ho heloka bevava manohitra ny fanjakana ireo tovovavy mpianatra mandihy amin'ny hira Tandrefana
Iaino Indray Ny Matson'ireo Persiana Tao An-tanànan'i New York City
Hita hatraiza hatraiza nandritra ny Matson'ny Persiana tamin'ity taona ity ny sainam-pirenena Tajik - mitovy amin'ny sainam-pirenena Iraniana.
Manome Voninahitra ny Vakokany Armeniana ho Fahatsiarovana ny Fandripahana Armeniana i Libanona
Libanona dia anisan'ireo firenena nandray tsara ireo mpialokaloka Armeniana nandositra ny fandripahana tamin'ny 1915, ary tao anatin'ny zato taona farany ny Libaney Armeniana no eny amin'ny lohalaharana tamin'ny kolontsaina Libaney,ary nandray anjara betsaka tamin'ny Zavakanto sy ny Siansa.
Miomana Amin'ny Fahazato Taonan'ny Fandripahana Armeniana i Yerevan
24 Aprily no manamarika ny fahazato taona nandripahan'ny Ampira Ottoman ny Armeniana. Aza adinoina izany.
Manafaingana Ny Famonjena Ireo Olom-pirenena Tajik Avy Ao Yemen Ve Ny Lahatsoratra Amin'ny Facebook?
"Iza no hamonjy anay? Monina ao Yemen, miasa toy ny dokotera izahay, maherin'ny 300 izahay, 400 raha isaina koa ny ankizy." hoy i Shahnoza Gadoeva, mpitsabo Tajik miasa ao Yemen nitady vonjy tamin'ny alalan'ny lahatsoratra Facebook.