· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Jona, 2012

Tiorkemenistana: Mamarana Ny Fanaovan'ny Fanjakana Ampihimamba Ny Fiverenan'Ilay Tambajotranà Finday Rosiana

  17 Jona 2012

Taoriana fikatonana tsy nisy fanazavana nataon'ny governemanta tamin'ny 2010, hamerina ny asany any amin'ny firenena ilay tambajotra mpandraharaha finday Rosiana malaza MTS, izay nanana mpanjifa sahabo eo amin'ny antsasaky ny mponina Tiorkemenistana eo. Faly ireo mponina ao Tiorkemenistana mpampiasa aterineto amin'ireo vaovao ireo, manome sosokevitra ny amin'ny hanomezan'ny tambajotra tolotranà finday tsara kalitao sy fidirana amin'ny aterineto tsy voasivana, mamarana ny fanaovan'ny fanjakana ampihimamba io sehatra io.

Afganistana: Tovovavy Voapoizina Noho Izy Ireo Nandeha Tany An-tsekoly

  14 Jona 2012

Nofoanana taorian'ny nianjeran'ny fitondrana Taliban tamin'ny 2001 ny tsy fahazoan'ireo tovovavy sy vehivavy mianatra, mitohy mandeha an-tsekoly ireo ankizivavy mpianatra. Tao anatin'ny fanafihana kely vao haingana tany Takhar faritany Afghan any avaratra atsinanana, tovovavy anjatony no voapoizina tao amin'ny sekoliny.