Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Oktobra, 2021
Mihevitra lalàna vaovao hanakanana ny tambajotra sosialy i Kazakhstan
Natao hanakanana ny asa ataon'ny orinasan'ny tambajotra sosialy ao Kazakhstan ny fanitsiana lalàna vaovao. Mety hanamafy ny fitsikilovana ataon'ny governemanta ilay famerana nolazaina fa natao hiarovana ny zon'ny ankizy,
Raharaha Uyghur : Mitsipalotra ao Afghanistan ny tena atahoran'i Shina indrindra
Raha hita ho manamafy ny fifandraisana eo amin'izy ireo ny Taliban sy i Shina, dia mety ho vato mahatafintohina ara-diplaomatika kosa ny voina mahazo ireo Uyghurs migadra any amin'ireo lazaina ho toby fanarenana (fanabeazana indray) ao Shina.
Mpanorina tranonkalam-baovao sady tonian-dahatsoratra nametra-pialana noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana Kazakh
Nikatona nandritra ny 10 andro ny tranonkalan'ny Hola News noho ny Fanafihana be pitsiny. Avy eo nandao ny tetikasa ny ekipa fototra, noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana hoy izy ireo.
Niala tamin'ny fifanarahana niarahana tamin'ny mpanohitra sy ny Vondrona Eoropeana ny antoko Georgian Dream
Nisintaka tamin'ny fifanarahana teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny antoko eo amin'ny fitondrana Georgian Dream.
An'arivony mivory ao Tbilisi mitaky ny hanafahana ilay filoha teo aloha nogadraina
Ao an-drenivohitra Tbilisi, Georgia, mponina an'arivony no mivory eo amin'ny kianja afovoany tamin'ny 14 Oktobra, ho fanohanana ny filoha teo aloha Mikheil Saakashvili, izay tao anatin'ny faha-14 andro nanaovany fitokonana tsy hanendry hanina ao am-ponja.
Milaza ny solombavambahoaka iray avy ao Kazakhstan fa taratry ny fiainana andavanandron'ny firenena ny ‘Squid Game’
Nilaza ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta fa azo ampitahaina amin'ny fahantrana lalina sy ny tolona fiavotan-tena iainana andavanandro ao amin'ny firenena ny Squid Game an'ny Netfilx.
Nampahafantarin'ilay tanora mpikatroka Azerbaijaney ampahibemaso ny heloka bevava nihatra taminy ary mbola mandehandeha ny nahavanon-doza
Na dia naseho aza ny porofon'ny heloka, mbola mandehandeha ny nahavanon-doza, araka ny kaonty manokana navoakan'ilay mpikatroka Sanay Yaghmur ao amin'ny Facebook.
Nanatontosa fifidianana i Zeorzia, nahazo ny maro an'isa ny antoko Georgia Dream
Tao anatin'ny fihenjanana ara-politika sy ny fisaraham-bazana no nanatontosan'i Zeorzia fifidianana ny 2 Oktobra lasa teo, izay hita fa fitsapana lehibe ho an'ny antoko Georgian Dream.
Vonona ‘handrindra ny fifandraisana’ i Tiorka sy i Armenia efa ho 30 taona aty aoriana
Efa ho telopolo taona taty aoriana, mieritreritra ny hanokatra ny sisin-taniny miaraka amin'i Armenia i Torkia. Nikatona nanomboka ny taona 1993 ny sisintany.
Aferam-pasipaorom-bakisiny sandoka tratra tao Armenia
Tombanan'ireo manampahefana fa olona maherin'ny 700 no nividy ireo taratasim-bakisiny sandoka tao Gyumri — tanàna faharoa lehibe indrindra ao Armenia.