Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Jolay, 2014
Mbola Bahanan'i Tajikistan Hatrany ilay Tambajotra Sosialy Rosiana Malaza
Mandray ny andraikitra feno sy tanteraka amin'ny maha-mpiaro ny ara-moralin'ny daholobe azy governemanta ao Tajikistan - ary mpiaro manoloana ireo fanaratsiana ny governemanta. Nanampy isa ny Youtube ao anatin'ny lisitr'ireo tranonkala voabahanan ny tambajotra Rosiana Odnoklassniki, tamin'ny 18 Jolay.
Manahy ity Rosiana Mpanoratra Gazety ity Fa Mety Hifindra avy any Tajikistan Mankany Rosia ny “Tahotra Mpitsikilo”
Efa ho iray volana izao no nitazonan'ny manampahefana Tajik tsy ara-drariny an'i Alexander Sodiqov avy ato amin'ny Global Voices ho manao asam-pitsikilovana. Tokony hampanahy ny Rosiana koa ity "santatra Tajik" ity, araka ny fandresen-dahatra nataon'ilay mpanoratra gazety Igor Rotar.
Mitabataba Izao Tontolo Izao Hoe #FreeAlexSodiqov (Avotsory i AlexSodiqov) Nandritra Ny Fiaretan-tory Manerantany
Tsy mpitsikilo Britanika i Alexander Sodiqov, mpikambana ato amin'ny Global Voices. Hetsika iraisam-pirenena ny #FreeAlexSodiqov (Avotsory i Alex Sodiqov). Manaporofo izany ity hetsika ity - iray volana taoriana ny fisamborana azy.
Tsy Mbola Nanao Mondialy Velively Ny Fireneny, Fa Efa Olomangan'ny FIFA Ilay Ravshan Irmatov Avy ao Uzbekistan
Mety tsy malaza eo amin'ny sehatra iraisampirenena tahaka an'i Cristiano Ronaldo ilay Uzbek mpitsara lalao football Ravshan Irmatov, saingy hita ho tsara kokoa ny zava-bitany tamin'ny Amboara Erantany
Mitohy ny Fifampitifirana Ao Amin'ny Sisintany Kyrgyz sy Tajik
Herinandro vaovao mbola nanjakan'ny herisetra hatrany tao amin'ny sisintany Kyrgyz sy Tajik. Araka ny filazan'ny manampahefana Kyrgyz, efa milamina ny toe-draharaha ao amin'ny sisintanin'ny Kyrgyz-Tajik, izay nahafatesana olom-pirenena Tajik iray tamin'ny 10 Jolay.
Zavatra Dimy Tsara Fantatrao Amin'ny Mariazy Turkmen
Raha mieritreritra an'i Turkmenistan ho toy ny tany tsidihana ijerena mariazy ianao, dia tokony hahalala zavatra iray - raha hankalazan mariazy ry Turkmen dia aza mitsabatsabaka ao.
“Raha Tsy Hoe Hisy Zava-Mahagaga”: Ny Filoha Manaraka Ao Afghanistan Dia… Ashraf Ghani?
Na "vato matoatoa" na "vato madio" ireny, hita ho manana tombony betsaka amin'izy ireny i Ashraf Ghani miohatra amin'i Abdullah Abdullah mpifaninana amin'ny amin'ny fifidianana izay ho filoha ao Afghanistan. Dia ho inona no hitranga manaraka?
Manampy Ny Olona Hianatra — Na Koa Hiaro—Ny Teny Manerantany Ny Teknolojia
Misy ireo mpisaina lasa aloha miankina amin'ny herin'ny teknolojia mba hanavotra ny teny tsy hanjavona, na hamelona indray, tranga tena vitsy dia vitsy, teny iray efa nanjavona.