· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Oktobra, 2018

Azerbaidjan: Ireo Haino Aman-Jery Miaro Ireo Mafana Fo Sy Blaogera Voatazona Am-Ponja

  23 Oktobra 2018

Na dia saika hita ao amin'ny Facebook avokoa aza ny ankamaroan'ny hetsika rehetra izay mbola hanohizan'ny mpampiasa aterineto ny fifampizaràna lahatsary ahitana ilay blaogera Adnan Hajizade sy ilay tanora mafana fo Emin Milli, notanana am-ponja herinandro lasa izay ary voaheloka higadra roa volana an-tranomaizina alohan'ny hitsarana azy, zara raha nisy hetsika vitsivitsy hita teny amin'ny filazambaovao mahazatra, kanefa efa miova izany amin'izao fotoana izao. Na izany aza, ny filazambaovaon'olontsotra aloha no tena mbola loharanom-baovao.

Any Kivu hatrany Gaza : Ny fomba isafidianan'ireo haino aman-jery ny ady ho rakofany

  21 Oktobra 2018

''Fa nahoana no kely ihany ny fifantohantsaina atokan'ny haino aman-jery ho an'ireo ady any Afrika, indrindra ireo loza mahatsiravina mitranga ao Kivu, izany no fanontaniana hatry ny fahagolantany (misisika toy ilay fitiavana hahalàla ny antony tsy hanaovan'ireo haino aman-jery iraisam-pirenena izany raha tsy resaka fifandirana irery ihany, rehefa mandrakotra an'i Afrika izy ireo).''

Armenia: Straight mankany an-tanàna

  18 Oktobra 2018

(2012) Miaraka amin'ny tahan'ny Harinkarena faobe isan-taona izay tombanana ho $5,400 eo fotsiny tamin'ny 2011, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha i Armenia. Tena azo tsapaintànana ny toedraharaha ho an'ireo tanàna ao amin'ilay firenena lavitra andriana, fa manantena ny hanova izany rehetra izany ny diplaomaty iray.