· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Marsa, 2019

Tsy misy hetsika manohitra ny fanamelohana ilay mpisera Afgana ho faty 

GV Mpisolovava  18 Marsa 2019

Mpianatra ho mpanao gazety tao amin'ny Oniversiten'i Balk ao Mazar-i Sharif i Sayed Parwez Kambakhsh. Nolazaina fa nandika tahaka lahatsoratra iray avy ao amin'ny tranonkala Iraniana nitsikera ny toeran'ny finoana Islamo momba ny fihetsika manoloana ny vehivavy izy, ary nilaza ny eritreriny manokana momba izany - tahaka ny fanaon'ny bilaogera.

Izay Nampianarin'ireo ‘Tatin-jaza’ Ahy Mikasika An'i Eoropa

Ny Tetezana - The Bridge  10 Marsa 2019

"Miaraka amina fidirana tsy misy teritery amin'ny aterineto sy amin'ny fampahalalam-baovao, nifoha ny saina tia manadihady tao anatiko ary nanomboka nihevitra an'ireo tsy mampiasa afa-tsy fisaina roa fototra, toy ny "mandroso" sy "efa lany andro", ka mamerina manadihady indray ny politika ao Tiorkmenistana sy any Andrefana."