Nankalaza ny andro iraisampirenena ho an'ny frankôfônia ny Global Voices amin'ny teny frantsay

(Marihina fa tamin'ny 20 Martsa 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 20 Martsa 2007 no nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Frankôfônia. Namakafaka ny dikan'ny hoe miteny frantsay (ankoatra ny fiteny hafa, ho an'ny maro amin'izy ireo ) ireo firenena sy faritany miisa dimampolo teo ho eo izay miteny frantsay, ary ao anatin'ny (na tsia) Fikambanana Iraisampirenena ho an'ny Frankôfônia .

Nanana dikany manokana ity andro ity ho an'ny Global Voices. Ny taona 2006 aho no nanomboka ho toniandahatsoratra vaovao ho an'ny bilaogy frankôfôna, tamin'ny alàlan'ny fandikana ireo bilaogy avy amin'ny firenena miteny frantsay izay tsy dia nisy nanangom-baovao firy ary nadikan'ny fampitam-baovao hafa tamin'ny teny Anglisy. Tamin'ity fotoana ity, amin'ny maha tompon'andraikitry ny tetikasa Global Voices Lingua ahy, ary miaraka amin'ireo bilaogera miteny frankôfôna hafa toa an'i Pascale Doresca (bilaogera Haisiana monina ao India), Claire Ulrich (mpanao gazety Frantsay ) ary Lova Rakotomalala (bilaogera malagasy izay mandray anjara ao amin'ny Global Voices amin'ny teny anglisy) dia nandika ny Global Voices amin'ny teny hafa aho, izany hoe avy amin'ny teny Anglisy mankany amin'ny teny Frantsay.  Ny hitondrana frankôfôna maro kokoa amin'ny resaka antserasera manerantany no tanjona. Izany no kasainay atao amin'ny alàlan'ny fandikana ny votoatin'ny Global Voices amin'ny teny frantsay .

Mbola teo am-pivoarana ny tranokalan'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay, saingy nandika ireo lahatsoratra ho an'ny frankôfôna ireo mpilatsaka an-tsitrapo frantsay nanomboka ny volana Febroary 2007. Raha toa ianao ka sady mahay ny teny Anglisy no mahay ny teny Frantsay dia aza misalasala mifandray aminay mba hanatevin-daharana ny ekipa amin'ity adiresy manaraka ity: francophonia [at] globalvoices [dot] org.

Flashback. avy amin'ny aingam-panahin'ny atrikasa tao amin'ny “Global Voices sy ny fiteny” izay notarihan'i David Sasaki, toniandahatsoratry ny Gloval Voices ho an'i Amerika Latina, nandritra ny vovonana Global Voices tamin'ny taona 2006 tany Delhi, nanatona an'i Ethan Zuckerman, Rebecca MacKinnon ary i Portnoy Zheng nandritra ny fisakafoanana atoandro, ny bilaogera frankôfôna maromaro mba hanolotra soso-kevitra ny amin'ny hanombohana ny Global Voices amin'ny teny Frantsay,  izay mitovy amin'ny Global Voices amin'ny teny Shinoa an'ny Portnoy. Liana ihany koa ny vondrom-piarahamonina hafa amin'ny fiteny hafa, ary teraka noho izany ny tetikasa Lingua .

Lingua, izay mbola tao anatin'ny dingana voalohany tamin'izany fotoana, dia nanolotra anao mihoatra noho ny Global Voices amin'ny teny Frantsay. Ireto ny fiteny hafa efa nisy :

-Bangla (blangladesh) https://bn.globalvoicesonline.org/
-Shinoa (tsotra) https://zh.globalvoicesonline.org/hans/
-Shinoa (nentim-paharazana) https://zh.globalvoicesonline.org/hant/
-Frantsay https://fr.globalvoicesonline.org/
-Portiogey https://pt.globalvoicesonline.org/
-Rosiana https://ru.globalvoicesonline.org/
-Espaniola https://es.globalvoicesonline.org/

Tena andro natokana ho an'ny kolontsaina maro tokoa ny Andron'ny Frankôfônia ho antsika ato amin'ny Global Voices.

Alice Backer

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.