Kazakhstan: Ny zavakanto maoderina

(Marihina fa tamin'ny 9 Janoary 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpanakanto Amerikanina izay nandalo vonjimaika tany Almaty, Kazakhstan i Daniel Gulegos ary mamahana bilaogy ao amin'ny Travelpod izy. Raha tao Kazakhstan i Daniel dia namantatra ny zavakanto maoderina Kazakh, ary nihaona sy niara-niasa tamin'ireo mpanakanto tao an-toerana.

I thought everyone would like to see what goes on at art openings here in Almaty. So, I’m posting some photos of the last show I was in at the beginning of December. I think you guys will be pleasantly surprised to see they don’t look or dress much different than a typical hipster at any art opening in San Francisco or New York.

Heveriko fa te hahita ny zava-nitranga tao amin'ny fanokafana zavakanto tao Almaty avokoa ny olona rehetra. Noho izany, nandefa sary vitsivitsy tamin'ny fampisehoana farany natrehako aho tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra. Heveriko fa ho gaga ianareo ry zalahy raha hahita fa tsy miendrika na miakanjo hafa noho ny karazana mpanara-damaody any amin'ny fanokafana zavakanto any San Francisco na New York izany.

The night of this show was for the opening of the Seismograms exhibit at the Soros Center For Contemporary Arts. The show is about how artists should be critical of the government and the culture of Kazakhstan. Artists should be the plotter pen and paper on the Seismograms, bouncing and bobbing all over the place exposing the corruption of government and the new rich.

Ho amin'ny fanokafana ny fampirantiana Seismograms tao amin'ny Foibe ho an'ny Zavakanto Maoderina Soros ny alin'ity fampisehoana ity. Miresaka momba ny fomba tokony hitsikeran'ny mpanakanto ny governemanta sy ny kolontsaina ao Kazakhstan ny fampisehoana. Tokony ho penina sy taratasy mamolavola ao amin'ny  Seismograms ireo mpanakanto, manaparitaka ary manatsikafona manerana ny toerana ary mampiseho ny kolikoly ataon'ny governemanta sy ny mpanankarena vaovao.

Nanoratra i Daniel fa “miezaka ny hampivoatra ny zavakanto Kazakh avy ao an-toerana ireo ivontoerana lehibe ho an'ny zavakanto any Kazakhstan mba hanampiana amin'ny fananganana ny mari-panondroam-pirenena. Nanampy ireo mpanakanto vahiny hiara-hiasa amin'ny ao an-toerana ny Foibe Soros, izay nanaovan'i Daniel ny fampiratiana ihany koa. Mpanakanto maoderina maro, araka ny filazan'i Daniel, no nahomby tamin'ny fividianan'ny vahiny ny sanganasan'izy ireo, ka nahatonga azy ireo hamokatra zavakanto “izay toa mifototra amin'ny kolontsaina nentim-paharazana Kazakh sy ny sary hosodokon'izy ireo [ary] nampiasa ny teknikan'ny tany amin'ny tapaky ny taonjato faha-20 izay matetika mampahatsiahy ny hetsika ara-javakanto maoderina tamin'ny taonjato faha 20 tany Alemaina, ny zavakanto izay nampiasa ny loko marevaka Frantsay, ary ny Surrealisma. “

It’s easy to come across galleries that are sort of Kazakh retailers/galleries that sell idealized scenes of yurts and horses and traditional scenes of the steppe. I’m surprised how much of this work is available. It’s no surprise to me that these artists sell a lot of their works. They subscribe to this aesthetic to satisfy the foreign market. But, this isn’t (to me) serious art, but it can be good if people identify this work as being merely decorative arts for people who want safe art that looks nice in their dental office waiting area.

It’s a great case study in how art can be influenced by market factors.

Mora ny mahita ireo trano fampirantiana zavakanto izay karazana mpivarotra antsinjarany/fampirantiana Kazakh mivarotra sehon-tsehatra yourte sy soavaly ary banja midadasika nentim-paharazana. Tsy gaga aho raha maro be ny asa vita efa vonona ao an-toerana. Tsy mahagaga ahy raha mivarotra ny ankamaroan'ny sanganasany ireo mpanakanto ireo. Mirotsaka amin'izany izy ireo mba hanomezana fahafaham-po ny tsena vahiny. Kanefa, tsy izany (ho ahy) no zavakanto matotra, saingy mety ho tsara izany raha  toa ka faritan'ny olona ho haingon-javakanto ho an'ny olona izay mila zavakanto azo antoka sy mahafinaritra ao amin'ny trano fiandrasana ao amin'ny toeram-piasan'izy ireo.

Fanadihadiana tsara mikasika ny fomba mety hampisy fiantraikany amin'ny tsenan'ny toekarena eo amin'ny zavakanto izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.