· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Marsa, 2018

Armenia: Mahatsiaro Ny Vono Olona Tao Budapest

  31 Marsa 2018

Nanamarika ny faha-dimy taona namonoana an'i Gurgen Margarian, 26 taona, manamboninahitra Armeniana nanatrika ny programa Fiarahamiasan'ny OTAN momba ny Fandriampahalemana tany Budapest, Hongria ny andron'ny omaly. Maty novonoin'i Ramil Safarov, Azerbaïdjani nanatrika izany fotoana izany koa, tamin'ny alalan'ny famaky izy raha tao anatin'ny torimaso.

Kazakhstan: Toetry Ny Firenena

  28 Marsa 2018

Tsy mandalo mihitsy eo ambany mason'ny mpitoraka bilaogy ny hetsika ara-politika goavana eo amin'ny firenena. Tamin'ity heriandro ity izao dia fotoana nandraisan'ny filoham-panjakana ao amin'ny firenena fitenenana. Tsy faly tamin'ny fandrakofan'ireo fantso-pahitalavitra sy ireo gazety rehetra eo ambany fanaraha-mason'ny fanjakana momba ilay fanentanana..... ny mpitoraka bilaogy.

Kyrgyzstan: Leo Hetsi-panoherana?

  28 Marsa 2018

Ampahavitrihana no nandalinan'ireo blaogera ny fanapahan-kevitry ny governemanta Kyrgyz mba hanao ny 24 Martsa - andron'ny fikomiana malaza tamin'ny 2005 - ho fety nasionaly iray. Fanitsiana natao tamin'ny Lalàna mifehy ny Asa Kyrgyz, izay milaza manomboka izao fa ny 24 martsa dia ho andro ofisialy hankalazaina toy ny Andron'ny Revolisionan-Bahoaka. Ratsy be ny fanehoankevitra avy amin'ny tontolom-bolongana Kyrgyz amin'ny ankapobeny

Azerbaijana: Voampanga Ireo Bilaogera

  26 Marsa 2018

Toy ny efa nahian'ireo mpanohana azy, ary nandritra ny dinika momba ny raharaha hanenjehana ireo bilaogeran-dahatsary tanora mpikatroka , dia efa nomelohin'ny fitsarana tao Baku, Azerbaijan i Adnan Hajizade sy Emin Milli.

Kyrgyzstan: Horonantsary Nataon'ny Vondrom-piarahamonin'ny Niova Sy Mpitia Mitovy Fananahana Ho Valintenin'ny Tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana Mankahala Azy Ireo

  25 Marsa 2018

Ny horonantsary eo amin'ny aterineto izay namboarin'ny vondron'ny nanova na mpitia mitovy fananahana Labrys ao Kyrgyzstan ho valin'ny tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana mankahala ny mpitia mitovy fananahana izay voajery mihoatra ny in-409 tao anatin'ny 15 ora avy nivoahany ary izao lasa nasiana feo faharoa sy dikanteny amin'ny Anglisy.